· Mey, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Mey, 2010

Zimbaboe : Fahadisoana ve ny hoe teraka fotsy volonkoditra?

  30 Mey 2010

Mitatitra momba ny politikam-bolonkoditra misy any Zimbaboe i Chris Kabwato [ndlr. ao amin'ny blaogy “Zimbabwe in Pictures” na Zimbaboe an-tsary]: In Zimbabwe there is a person who cannot be sworn in as a minister of state, not because of any crime he committed, but he is simply the wrong colour....

Chili: Tolo-kevitra avy amin'ny mpizahantany

  26 Mey 2010

Ao an-tanànan'i Arica, any Chili ny mpamaham-bolongana Tomás Bradanovic no nanoratra hoe “tokony hihaino ny mpizahantany isika [es],” fa maro diamaro manko ny mailaka azony avy amin'ny mpizahantany izay saiky manolo-kevitra avokoa amin'ny fanatsarana ny fikarakarana ny mpitsidika, ka tafiditra amin'izany ny fanomezana safidy ho an'olona tsy mihinan-kena, ny fidirana...

Rosia: Sarin'ny tondra-drano tany Môskoa

Alexey Yushenkov dia manapariaka andian-tsary nalainy nandritra ny tondra-drano izay nitranga tany amin'ireo lalambe izay isan'ny ivon-tananan'i Môskoa. Mizàra sary sahala saingy tamin'ny taona 2006 koa izy. Misy sary hafa mitatitra izany tondra-drano izany azo jerena ato sy ato.

Rosìa: Sary tany amin'ny “Zombie Mob”

Rà sandoka raofina aman-taonina,  ratra maro tsy ampoizina sy maty-mitsangana miriaria  ary biby mampivarahotsana samihafa no indray nameno ny araben'i Moskòa. Sary nalaina nandritra ny hetsika “Zombie Mob” [fifamotoan'ireo miakanjo sy maka-tahaka ireo mpilalao sarimihetsika mampatahotra] dia azo jerena ato, sy ato ary ato.

Haïty: Fanampiana sa Fanakatsakànana?

  14 Mey 2010

Velom-panontaniana i The Haitian Blogger [Mpiblaogy Haisiana] hoe: “Why does a country with one of the lowest crime rates in the Western Hemisphere need 9,000+ UN troops, US troops and 4.4 million dollars for prisons?” “Aty amin'ny firenena tandrefana izay isan'ny iva taha indrindra raha ny lafiny herisetra, inona no...

Meksìkô: Fidàngan'ny maripàna ao an-drenivohitra

  14 Mey 2010

Nisedra fidàngan'ny maripàna, ny tanànan'i Meksìkô [ndlr. renivohitry ny firenena Meksìka], arak'izay nampitain'i Daniel Hernández mpivoy ny blaogy Intersections [Sampanana], satria nahatratra hatramin'ny 50°C ny maripàna tsikaritra any amin'ny sasantsasany amin'ireo seranan'ny metro [ndlr. fitateram-bahoaka an-dalamby miriòrio ambanin'ny tany].

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary