· Marsa, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Marsa, 2010

Trinite sy Tobago: Vita ny vola

  26 Marsa 2010

“Nanoaka aho halina raha nahare tamin'ny vaovao navoakan'ny televiziona rehetra misy eto an-toerana nitatitra ny nanafihan'ny polisy, malaza amin'ny fankatoavana ny lehibeny tsy azo anaovana kolikoly, ny biraon'ny UDeCOTT, ny biraon'ny Sunway International ary ny tranon'i Calder Hart, angamba eo ampikarohana ny ambim-bolan'ny Trésor”: Nolazain'ny This Beach Called Life fa tsy...

Vaovao fanampiny Madagasikara: Tafakatra 78 ny aina nafoy taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert

  24 Marsa 2010

Nampitain'ny namana Tomavana fa niakatra be ny isan'ny aina nafoy araky ny tatitra farany nampitain'ny tompon'andraikitra, taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert tany Madagasikara, raha 36 izany tamin'ny herinandro lasa dia tafakatra 78 kosa ankehitriny ary mahatratra 145'000 ireo tra-boina. Ambarany koa fa nohon'ny tondra-drano tsy an-kijanona, dia manahy ny fiverenan’ny areti-mifindra...

Japana: Tsy misy fitaovam-piadiana nokleary?

  10 Marsa 2010

Navoakan'i Martin J Frid tao amin'ny bolongany vao haingana ny fifanarahana miafina teo amin'i Japana sy Etazonia tamin'ny 1969 izay mandika ny foto-pifanarahana telo tsy ampiasana fitaovana nokleary nosoniavin'ny praiminisitra Japoney Sato tamin'ny taona 1974. Nosoritan'ny fifanarahana fa na misy ady na krizy dia tsy hanohitra ny fampidiran'i Etazonia fitaovam-piadiana...

Fandraisana anjara BBC : “fomba fijerinao izao tontolo izao”

  03 Marsa 2010

Nosoratan'ny Young People's Media Network fa mila anao ny BBC handefa aminy roa minitram-panadihadiana amin'ny “fomba fijerinao izao tontolo izao” ka haely manerantany izany.  Hatramin'ny faha-12 marsa ho avy izao no iandrasana izany.  Azonao vakiana ato ny fisoratana anarana ho amin'izany [fifaninanana] izany. Juliana Rincón Parra

Chili: Tsy nahomby ny fifandraisana

  03 Marsa 2010

Jorge Barahona no manoratra ny tsy fahombiazan'ny fitondrana Chiliana teo amin'ny lafiny fifandraisana an-tserasera [es] taorian'ny horohorontany, izay tsy nampiasa araka izay tratrany ny fitaovana teo ampelatanany. Na izany aza dia nankasitrahany indrindra ireo fifampitam-baovao tahaka ny Twitter sy ny fidirana an-tserasera 3G izay nahafahany mahara-baovao. Eduardo Avila

Rosiana maro vonona ny handoa vola ny votoaty an-tserasera

Akon  02 Marsa 2010

Fanadihadiana vaovao nataon'i Nielsen no nampiseho fa mihoatra ny antsasaky ny Rosiana no vonona ny handoa vola amina votoaty an-tserasera. Fa ny mahatalanjona amin'ny valin'izany fanadihadiana izany sy ny famakafakana azo sintoina aminy dia mivoaka ao amin'ny Slon.ru (ampiasao ny mili-pandikan-teny).

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary