· Febroary, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Febroary, 2010

Sri Lanka: lalao Cricket sy ny teny anglisy

  27 Febroary 2010

Lanka Rising no miresaka momba ny firokim-pitenenana eo amin'ny manana ny teny anglisy ho fiteny faharoa: “An'ny Anglisy ny Cricket (taloha), saingy isika no mahay milalao azy kokoa noho ry zareo ankehitriny mahatonga azy ireo hanaraka ny vaovaon'ny cricket aty amintsika. Afa-manao izany ve isika amin'ny fitenenana teny anglisy? Yes...

Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana

  22 Febroary 2010

Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra ny fitondrana” sy nanontaniany zava-maro. Rezwan

Kenya: Fa inona ity nataon'ilay Mpanolotra TV fivavahana ity?

  18 Febroary 2010

“Nalaza dia nalaza tokoa ny nataon'ity mpanolotra fandaharana amin'ny televizionam-pivavahana iray ity raha niampanga ny fianakaviany ny anao vavy, nandao ny fofombadiny ary niala tamin'ny asany noho ny baiko tamin'ny alalan'ny imailaka nataona televanjelisitra amerikana iray azy,” hoy ny notaterin'ny Hot Secrets. Ndesanjo Macha

Rosia: Ny atao amin'ny boky antitra

Akon  18 Febroary 2010

Manary ny boky noho ny fahanterany sy tsy fisian'ny mpamaky azy intsony ny trano famakiam-boky maro, hoy ny mpanao tsikera literera Alexander Zhitinski [RUS]. Ny an'ny trano famakiam-boky iray any Saint-Petersburg aza dia ny boky rehetra nivoaka talohan'ny taona 1999 no nariany. Niteraka adihevitra an-tserasera [RUS] moa izao tsy fanajana...

Rosia: mamantatra ny toerana misy ny bus eo noho eo

Akon  16 Febroary 2010

Ny fitantanana ny tanànan'i Ryazan [ENG] any Rosia Afovoany no voalohany any amin'ity firenena ity nametraka sarintanin'ny fivezivezen'ny fiara fitaterana [RUS] hoy ny tatitry ny gov-gov.ru. Azo arahina amin'ny alalan'ny aterineto eo noho eo manko ny fiara fitaterana noho ny fisian'ny fitaovana GPS any anatin'izy ireny tsirairay avy. Alexey Sidorenko

Ejipta: Alaivo aloha ny Corolla-nareo

  16 Febroary 2010

Manamarika i Zeinobia fa nanery ny Toyota Ejipta haka ny sasany amin'ny maodeliny avy any amin'ny fivarotana fiara ny Sampana Ejipsiana miaro ny mpanjifa mba hanitsy ireo Toyota manana fahasimbana fa anjaran'ny orinasa ny fandaniana amin'izany. Eman AbdElRahman

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary