· Janoary, 2009

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Janoary, 2009

Miditra an-tanety any atsimo andrefana ny rivodoza Fanele

  21 Janoary 2009

Ny mpamaham-bolongana Pierre Maury no mahatsiaro ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara rehefa niditra an-tanety ny rivodoza Fanele tokony androany tamin'ny 4:17 marainan'ny 21 Janoary 2009 (fr). Ahiana hisedra ny setrasetran-drivotra mahatratra 281 km/h ny tanànan'i Belo-sur-Mer. Lova Rakotomalala

Madagasikara: Fihaonana politika nahazo olona be fa mihahenjana ny tady

  19 Janoary 2009

Mpamaham-bolongana Malagasy roa no nitantara an-tsary sy nitantara ny fizotran'ny fihaonam-be politika teto Antananarivo rehefa mihahenjana ny tady eo amin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana mitondra amin'izao fotoana izao noho ny fanakatonana tobim-pahitalavitra an-toerana iray (mg). Avylavitra namoaka ny sary manontolon'ny fihaonana ary Jentilisa kosa nitantara...

Madagasikara: Tohin'ny Prison Break, fandoroana ny fonjan'Ambalatavoahangy

  14 Janoary 2009

Taorian'ny fahavakisana fonja misesisesy nanerana an'i Madagasikara tamin'ny herinandro, dia notaterin'i Jentilisa fa may ny fonja hafa any Toamasina ( morontsiraka atsinanan'i Madagasikara) omaly ( 13 Janoary) [mg]. Nitatitra ny fisian'ny setroka mitakovona sy ny feom-basy 5 ny nanatrimaso. Mbola hofantarina moa ny anton'ny setroka sy ny feom-basy. Lova Rakotomalala

Iran: gazety lasibatry ny ady any Gaza

  01 Janoary 2009

Nakaton'ny fitondrana iraniana ny gazetin'ny fanavaozana, Kargozaran. Bolongana sy vohikala vaovao maro no nitatitra fa lasa lasibatra noho ny krizy any Gaza ny Kargozaran.  Navoakan'ny Kargozarn manko ny fanambarana nataon'ny fikambanan'ny mpianatra (Tahkim Vahdat) izay “manameloka an'isiraely sy ny vondrona mpampihorohoro miafina sy mialokaloka any an-tsekoly sy hopitaly any (Gaza)”....

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary