· Desambra, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Desambra, 2008

Madagasikara: Namaly izay lazaina fa sivana atao amin'ny piesy “47” Lafrantsa

  21 Desambra 2008

Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard. Victoire Bidegain Di Rosa, mpanolotsaina ao amin'ny minisiteran'ny kolontsaina frantsay no manazava fa tsy voatery hahaliana ny firenenkafa aty amin'ny faritra ilay...

Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz

  21 Desambra 2008

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy...

Ezypta: Moa ve Palestiniana i Obama?

  17 Desambra 2008

Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny Amerikana sy ny hetsika Sionista: Foko Palestiniana iray avy any Al Jaleel no mitabataba fa Taranaky ny iray amin'izy ireo...

Jamaika, Kiobà, Etazonia: Kiraro iray eny an-tanana

  17 Desambra 2008

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany...

Kambôdza: Sary voarara

  13 Desambra 2008

Noraran'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny sarimihetsika any Kambôdza ny mpikarakara hetsika ara-kolontsaina iray tsy hampiseho sary manangona voalavo, ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra  Sam Rainsy ary saripikan'ny olona milahatra ho any Phnom Penh hitaraina amin'ny Praiminisitra. Mong Palatino

Torkia: Momba an'i Volombavamena manontolo

  13 Desambra 2008

Amin'izao resaka mpijirika (izay ity voambolana ity vao tadidiko) manintona ny lohateny lehibe amin'ny haino amanjery izao dia manome leson'ny tantara amin'ny lahatsoratra iray i Talk Turkey miresaka momba ilay Amiraly Ottoman iray antsoina hoe Barbarossa (Volombavamena) izay fantatra kokoa amin'ny maha-mpijirika azy ary manontany hoe: “Mety ho eny anivon-dranomasina...

Shilia: CNN sy gazetin'olo-tsotra

  13 Desambra 2008

Juan Dominguez no milaza ny fifanekem-piaraha-miasan'ny olo-tsotra any Shilia manao gazety mitambatra sy ny televiziona vaovao any Shilia CNN Chile [es], ka anisan'ny tafiditra ao anaty fiaraha-miasa ny fandraisana anjaran'ny olo-tsotra manao gazety ao amin'ny televiziona. Eduardo Avila

Isiraely: Fomba fijery ny fampinonoan-dreny amin'ny riba jiosy

  11 Desambra 2008

Ao amin'ny “ Fampinonoan-dreny sy ny Jodaisma: Nahoana ny renin'i Mosesy no tsy nametraka tavoahangy (biberao) tao amin'ny lakanjozoro ,” Hannah Katsman ao amin'ny Green Prophet no manazava ny mahazava-dehibe ny fampinonoan-dreny teo amin'ny lalàna jiosy sy ny nentin-drazany raha oharina amin'ny fiaraha-monina any Isiraely amin'izao fotoana izao. Maya Norton

Taiwan: Nanala ankeriny ny frezy dia polisy

  11 Desambra 2008

Vao maraina be ora vitsivitsy lasa izay dia voaesotry ny polisy an-keriny niala tao amin'ny Kianjan'ny fahafahana ao Taipei ny hetsiky ny “frezy dia”n'ny mpianatra [tatitra amin'ny teny Shinoa eto (zh)] . Nanao fitokonana mitohy nandritra ny iray volana teo manko ny mpianatra taorian'ny hetsi-panoherana teo amin'ny Biraon'ny Fitantanana (ny tanànan'i) Yuan ho...

Eritrea: Fifandraisana arak'asa soratra amin'i Rosia

  10 Desambra 2008

Semantic Eritrea no mitatitra fa nanapa-kevitra hanamafy ny fifandraisana eo aminy sy Eritrea ny fitondran'ny federasiona Rosiana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambarahin'ny poeta malaza Alexander Pushkin, sy  Foiben-kolontsaina Pushkin ao andrenivohitra Eritreana Asmara izany. Ny nahatonga ny fifandraisan'i Pushkin sy Eritrea (Erythrée ho an'izay tsy mahazo resaka) dia niatomboka tamin'ny raibeny...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary