· Aogositra, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Aogositra, 2008

Shina : Fanovana ny toetr'andro

  26 Aogositra 2008

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

Senegaly : Midina an-dalam-be ny mpianatra noho ny tsy nandoavana ny vatsim-pianarana

  22 Aogositra 2008

Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny...

Iran : Ao amin'ny Yahoo ihany ny anaran'i Iran

  20 Aogositra 2008

Araka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.

Libanona : Ny lalao olympika ao Beijing

  19 Aogositra 2008

Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.

Fanamiana Hijab amin'ny Olympika

  19 Aogositra 2008

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Slovakia : Mandrefy medaly Olympika

  18 Aogositra 2008

Araka ny kajikajy nataon'i Margarete, avy ao amin'ny The foreigner's guide to living in Slovakia dia fahafolo i Slovakia amin'ny isan'ny medaly isan'olona tamin'ny lalao Olympika, raha i Slovenia no voalohany.

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary