Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jolay, 2008
Dominika sy USA: Politika sy Olona
“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika atao dia ny milaza ny marina amin'ny manampahefana, midradradradra izay ilaintsika, mitaky ny zo sasantsasany, tahaka ny fitsaboana, fahampiantsakafo, ary...
Borazila: Niala tsy ho minisitry ny kolontsaina
Maro ny bolongana no nitatitra fa nandao ny toerana mahaminisitry ny kolontsaina azy, deparitemanta nentiny hatrmin'ny 2003, i Gilberto Gil . Mieritreritra ny hanao laharam-pahamehana ny asa mahampihira azy indray izy.
Angola: Indrisy ry tsenan'i Kinaxixe ao Luanda
Malahelo dia malahelo tokoa i Anabela Quelhas [pt] eo ampanatrehana ny fandravana ny tsenan'i Kinaxixe ao Luanda. Tanisainy ny antony folo anamarihany fa fanorenana manana ny maritrano mampiavaka ny taona 1950 sy manandanja ho an'ny mponina io fanorenana io, ary nofeheziny fa : “Mbola maivandanja eo anatrehan'ny vola sy ny varotra...
Goiana: Fandrarana filazana fanameloha aho faty
Living Guyana no mitatitra fa mikasa ny handrara ny filazana na fampielezana ny fanameloha aho faty ny Filoha Goianey satria “ratsy loatra ny mandre azy ka manao izay mampalahelo ny olona ihany koa”, Tonga moa dia nanamarika i MediaCritic hoe: “Tsy mbola hita mihitsy izay paikady mazava entina miady amin'ny...
Ghana: Nahandro sy tsironkanina
Emeka no manoratra orinasa iray mampiely amin'izao tontolo izao ny tsironkanina sy ny nahandro Afirikana : “Natsangan'ilay efa nahazo ny loka manokana Felicia Twumasi, (ny orinasa mamokatra) sakafo araka ny fomba Homefoods (vita an-trano), voafono avy amin'ny ravim-boanio mena fanaova-menaka, ny Episy (fanatsarana tsiron-kanina) Afirikana tonga lafatra, mangahazo voatoto, saosy...
Libanona: Siria sy Isiraely
“Firifiry ny isan'ny misolelaka any amin'ny fitondrana Siriana (manohitra an'Isiraely) mandritra ny herinandro? Ny valiny: feno. Koa miangavy re: teneno ny fitondrana Siriana tsy hiteny amin'ny anaran'ny Arabo manontolo raha mampanantena fandriampahalemana sy mandrindra fihavanana amin'Isiraely izy. Ary tsarovy ihany koa fa efa nampanantena toy izany i Sadat (filoha eziptiana...
Libanona: Hezbollah sy Hamas
“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.
Afirika Atsimo: Fampidirana ny hetra momba ny gaza karibonika
Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”
Afirika: Fifaninanana mamaham-bolongan'ny olo-malaza
Fitsinjovana ataona Nairobiana mba te-hahita Famahanam-bolongana ataon'ny efa malaza eto Afirika:Fifaninana izy io ary mitaky tetipanorona tsara omana, maniry te-hahita sokajy manokana ho an'ny bolongana Afirikana ho azy ireny aho, etsy ankilan'izany dia handray ny ohatra tsara ka hanao fifaninanana ho antsika isika! Misy ve ny hanolotena hanohana ho amin'ny fifaninanan'ny...
Afirika: Tatibaovao amin'ny alalan'ny finday
White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny...