Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Avrily, 2008
Okraina: Tsiaro an'i Chernobyl
Mahatsiaro an'i Chernobyl i Déjà Vu – The Uncanny Feeling: “Raha mieritreritra momba ny Chernobyl aho … […] … nahita an'i Katya tao Kiev, 90 km atsimon'i Chernobyl, aho tamin'ny faha-16n'ny taonany, matin'ny tahotry ny loza izay tsy azony jerena na hevitreverina akory, nandray fiaran-dalamby ho any Leningrad handositra ny...
Barbada: tafiotran-toe-karena
“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground, (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.
Japan: sarin'ny fihetsiketsehana tao Nagano
Mousan ry zareo namoaka ny sary maromaro nandritra ny fihetsiketsehana nilamina nitsena ny afo olaimpika nandalo tao Nagano, Japan a! izay hijery tsindrio io azo tsindriana io e!
Shina: Mpampianatra amerikana voadaroka
Nosoratan'i Tia an'i Hunan ao amin'ny Zhuzhouwang ny mikasika ilay mpampianatra Amerikana nodarohan'ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa[zh] teo an-tokotanin'ny Carrefour tany amin'ny distrikan'i Hunan Zhuzhou tamin'ny 20 avrily. Manana ny avaovao farany i Shanghaiist.
Shina : vohikala tsy ara-dalàna
Tsikaritry ny mpamahana ny “soratra tsy miforitra” fa tsy voasoratra ara-dalàna araka ny takian'ny Minisiteran'ny orinasa fampahalalam-baovao ny anti-cnn.com [zh]. Misoratra amin'ny anaran'i Jim avy ao amin'ny Oniversiten'i Tsinghua ny vohikala ary ampiatranoan'ny www.DNS.COM.CN.
Afrika Atsimo: Loka webby
“Nahazo ny lokam-pankasitrahana Webby mifanila amin'i (CNN, CBS News, The New Yorker, CNBC, The New York Times, TIME ary ny the Observer Media Group) i Thought Leader (mpitari-tsaina). Mametraka ny Thought Leader ho ao anatin'ny bolongam-politika 15 be mpamaky indrindra manerantany izany ary mametraka azy ho hany tokana avy eto...
Okraina sy Rosia: Ireo dadan'ny filoha
Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa – “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa – dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i...
Shina: Ny Carrefour no mahazo vahana
Mananihany i Huge fa ny Carrefour ihany no mahazo vahana amin'ity fitadiavana ankivy ity [zh]. 1. dokambarotra tsy andoavambola; 2. Fantatry ny maro teo no ho eo fa hay marika frantsay hay io; 3. Hahazony fon'ny saranga antonony somary ambany ny fanaovany fampihenambidy amin'izao fiakaran'ny vidin-javatra izao.
Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay...
Timor atsinanana: Ny fiverenan'ny filoha an-tanindrazana
Ny gazety repoblika Xanana no mitantara ny nandraisan'ny vahoaka ny filoha Timor atsinanana rehefa niverina an-tanindrazana. Ny mpanatrika iray moa no nilaza ny filoha ho “malezo nefa henjana.”