· Janoary, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Janoary, 2008

Kenya: Mampiasa SMS hampielezana tsaho

  31 Janoary 2008

Ahoana moa ny mba ao an'eritreritry ny vehivavy iray raha nanoratra ny fomba fampiasa amin'ny lafiny ratsy ny SMS izy ao Kenya: “Raha jerena ny fiakaran'ny herisetra ao Kenya, ny mpitondra tenin'ny vokovoko sy ny saritsinambolana mena ao Kenya, Atoa Bernard Barret no noheverina ho niteny fa ny fampiasana ny soratra hafatra...

Mozambique: Nahasambotra kamiao nitondra ankizy maromaro ny polisy

  31 Janoary 2008

Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa...

Brezila: ny fandripahan'alan'i Amazona sy ny ampitso

  31 Janoary 2008

“Raha tianao ho fantatra izay hitranga amin'ny faritry Amazonia (miaraka amin'ny renirano) raha mbola tsy atsahatra izao fandripahan'ala izao dia azonao jerena ny fivoarany amin'ny alalan'ny fanandramana hitsinjo mialoha nataon'ny Institute of Environmental Research (na sampan-draharaham-pikarohana momba ny tontolo iainana) miorina any Amazonia, miaraka amin'ny Federal University of Minas Gerais (Oniversite federalin'i Minas...

Iràka: 1.000.000 no isan'ny Irakiana maty noho ny ady

  31 Janoary 2008

“Mahatratra 1 000 000 ankehitriny ny isan'ny Irakiana maty ‘voatifitra’ noho ny fibodoan'ny Etazonia ny taniny, saingy ireo (mpanao politika Amerikana) nankato ny fitsabahan'i Etazonia tany kosa na avy amin'ny “antoko ankavia” na avy amin'ny “antoko ankavanana” dia mbola mitady fialantsiny sy hevitra mandrakariva hanao izay hijanonana any Iràka” hoy...

Armenia: Bolongana amin'ny tenin'ny teratany (indizeny)

  30 Janoary 2008

Raha saiky amin'ny teny anglisy na rosiana avokoa ny ankamaroan'ny bolongana miresaka na nosoratana Armeniana dia hafaliana tsy omby tratra kosa ny an'i The Armenian Observer raha nahatsikaritra fa na dia mandeha tsikelikely aza dia hita tsara ny fitomboan'ireo bolongana mivoaka amin'ny teny Armeniana. Mamporisika ary Observer hijery ny fahatsarany...

Tonizia: Ny finoan'i Obama

  30 Janoary 2008

“Tokony hanahy ve aho amin'ny fanaovana ny Islam ho toy ny zavatra mampandositra ny olona? Tsy maintsy hieritreritra ve aho fa mety hahatonga ny olona ho azo fidîna na tsia ny fivavahana arahina olona iray?” hoy ny nosoratan'i Subzero Blue avy any Tonizia, rehefa avy namaky ny voasoratry ny  senatera Barack...

Shina: Ny fahatezeran'ny malemy

  30 Janoary 2008

Teny andalana hamonjy fiasana no nahitan'i Zengying mpiambina (‘voromahery'?) nandositra avy tamin'ny toeram-piambenana ny tanàna. Ampitandremany noho ny izany ny tsy hanaovana tsinontsinona ny fahatezeran'ny malemy ka manindry azy ireny hiverina hiady (hitolona).

UK: Fanimbazimbana ny tsangambatom-pahatsiarovana fandripahana, noankotrihina

  29 Janoary 2008

Blogian no namoaka sary ahitana ny tsangambato najoro tany Bretainina lehibe tao Cardiff izay nisy nanimbazimba omaly. Tamin'ny fotoana hanomanana indrindra ny andro manokana ahatsiarovana ny fandripahana sy ho fanajana ilay mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Tiorka-Armeniana Hrant Dink nisy namono herintaona lasa izay tamin'ity volana ity tany Istanbul no nisy...

UK: mahamenatra

  29 Janoary 2008

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny...

Palestina: Nodinganin'i Bloggies 2008 i Azia andrefana

  29 Janoary 2008

Melohin'ny mpamaham-bolongana Palestiniana Haitham Sabbah ny Bloggies 2008 ho tsy nampiditra ny bolongan'ny faritra Azia andrefana (Atsinanana akaiky ho an'ny tandrefana izay fijery arahin'ny be sy ny maro amin'ny ankapobeny na dia avaratry Madagasikara tsotra izao aza io faritra io: soratry ny mpandika ny anaty fononteny) mba ho afa-mifaninana amin'ny sokajy misy azy...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary