GlobalVoices anaty

Fantina

Tahiry Media · 476 Lahatsoratra

Lahatsoratra miaraka amin'ny Sary Lahatsoratra Sary Video Lahatsoratra Video

Tantara farany tamin'ny Fantina

Kandidà Tsy Nampoizina Fifidianana Eto Madagasikara

Fanamarihana : Raha mijery ny lahatsoratra niavian'ity dikan-dahatsoratra ity isika dia tamin'ny 28 avrily no nanoratana ny tamin'ny teny anglisy, nisy ny fanavaozana tamin'ny 29 avrily, nefa tsy nampiova ny zava-misy ny lohateny fa nisy ny kandidà tsy nampoizina na dia efa nampoizina ihany aza tanatin'ity lahatsoratra ity. Tsy maintsy natao izay fanamarihana izay sy ny nandikana ity lahatsoratra ity indray na dia herinandro taty aoriana aza!

Fanavaozana (29 avrily 2013):  Indro ny lisitra fenon'ny kandidà 49 [fr] nirotsaka ho filoham-pirenena. Tsy tafiditra tao anatin'ny ny filohan'ny tetezamita ankehitriny.

Koa satria nifarana androany (28/4) ny firotsahana ho filoham-pirenena malagasy, nisy ny kandidà heverina ho tsy ampoizina. Raha tsy dia fantatry ny olona loatra amin'ny ankapobeny ireo kandidà nirotsaka voalohany, nisy ny mpanao politika nanana ny lazany vitsivitsy heverina fa hirotsaka hifaninana: ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, ny filohan'ny tetezamita ankehitriny Andry Rajoelina [fr] ary ny vadin'ny filoha teo aloha Ravalomanana, Lalao Ravalomanana.

Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady

Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia:

Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] [...] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo [...] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka [...] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean.

Narahin’ireo kandidà hafa avy hatrany: Tohiny »

Madagasikara : Lahatasary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara:
sex trafficking madagascar
Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary :

Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy vôla ampiasako izy, za amin'izay tsy miasa, raha tsy miasa iny amin'izay zagny dia hoy zanako “izaho handeha any amin'ny makorely.” Farany za nanjary manginy nefa za regniny

“Mpianatra ny zanako (vavy). Tsy nanam-bola ho azy aho sady tsy an'asa dia nanapak'hevitra ny zanako “andeha hivaro-tena aho.” Tsy nandrara azy izaho reniny fa nangina.”

Shina: ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, sariitatra sy sivana

Ity sarin'i Mao ampanaovina sarontava ity, natao hisarihan'ny mason'ny mpijery amin'ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, dia voasivana tamin'ny seran-tsiokantseratsera Sina Weibo. (Nampitain'ny

Ity sarin'ny olomangam-pirenena Mao izay ampanaovina sarontava ity, natao hisarihan'ny mason'ny mpijery amin'ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, dia voasivana tamin'ny seran-tsiokantseratsera Sina Weibo. (Nampitain'ny “Blocked on Weibo”)

“Tsy Vitanay Irery io”, Nangataka Ny Firotsahan'i Etazonia An-tsehatra Any Mali Ny Ben'ny Tanàna Iray

Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan’i Etazonia an-tsehatra any Mali tao anatin’ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben’ny tanànan’i Goundam, ao avaratr’i Mali.

Tohiny »

Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy

Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo:

les activités de la société QMM qui extraie l’ilménite à Fort Dauphin sont depuis ce jeudi 10 janvier fortement perturbées par une manifestation de foule. On parle même de suspension de l’exploitation d’ilménite [...]

“nanomboka tamin'ny Alakamisy 10 Janoary dia nihena mafy ny raharaha fitrandrahana Ilmenita ataon'ny orinasa QMM any Taolagñaro nohon'ny mpirotaka. Toa re aza fa nahantona mihitsy izany fitrandrahana Ilménite izany [...]“

Ny foiben'ny Rio Tinto dia nanambana ny fampitsaharana ny asa fitrandrahana raha mitohy ny rotaka [en]: Tohiny »

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

Ny Hasambarana Isan'Andro Isan'Andron'ireo Zokiolona

Happiness is to find an old friend. Illustration by Tiago Albuquerque on Felicidário

“Ny fahasambarana, dia mifanena amin'ny namana fahazaza”.  Fandravahan'i alustration Tiago Albuquerque sur Felicidário “Ny teny hafaliana, dia ny mahita ny namana tamin'ny fahazazana”. Fanehoan-tsary Tiago Albuquerque ao amin'ny Felicidario

Fikambanana mpanatalenta portogey no niara-miasa mandravaka ireo famaritana ny mety atao hoe fahasambarana ho an'ireo zokiolona, natao endrika fanisanandro. Azo jerena ao amin'ny tranokala Felicidário ny fanisanandro an-tserasera.

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

Mpianatra porto-rikana nanao fitsidihana tao Bastia, any Corse, tamin'ny alalan'ny Vallendrea – Valam-bahoaka

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.

Mpiasa An-Trano Malagasy Naolana sy Nampijaliana Tany Libanona

Noteren’ny nenintoany hifindra ho any Libanona hiasa an-trano i Marie, 14 taona. Rehefa tonga tany izy dia zary fahazarana ny nanolanan’ny mpampiasa azy. Rehefa fantany fa bevohoka izy dia noroahiny. Rehefa niteraka irery izy, dia natsipiny avy eny amin’ny rihana fahavalon’ny fanorenana avo ny zaza.

Tohiny »

Arabia Saodita: oram-baratra tany Riyad nitarika lozam-pifamoivoizana 712

Riyadh Rain

oram-baratra any Riyadh izay mampatsiahy toetrandro any Parisy. Saripika nozarain'i @mohammed919 tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter)

Tohiny »

Madagasikara: fanaovana ampihy mamba velarantany nohon'ny BioFuel

Ny fikambanana “collectif TANY” izay mitolona hoan'ny fiarovana ny zon'ireo tantsaha Malagasy ahafahany manohy hamokatra ny taniny, sady soloin'Atoa Mamy Rakotondrainibe tena, no nandikateny frantsay sy nanapariaka ny lahantsoratra navoaky ny gazety Inona ny Vaovao laharana 1031 [fr] izay mitatitra ny fitarainan'ireo tantsaha nohon'ny vokadratsy ateraky ny fambolena ny voly jatropha karakarain'ny orinasa Tozzi Green group amin'ny velarantany mahatratra 100'000 ha any amin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara. Ireo tantsaha no mijoro vavolombelona [fr] :

Nous, petits paysans, sommes obligés de partir car ce sont des gens munis d’armes qui nous expulsent de nos terres. La perte de l’herbe où les zébus pouvaient brouter a entraîné le décès du bétail sur place. Ils ont détruit les tombes de nos ancêtres. Les lieux sacrés ont déjà tous été détruits par les tracteurs

“Izahay tantsaha madinika dia voatery mifindra toerana tsy satry, satria olona mirongo fiadiana no mandroaka anay handao ny taninay. Misy mihitsy ireo izay very omby matin-kanoana, nohon'ny tsy fahampian'ny ahitra ho sakafony intsony. Noravany ireo fasandrazanay. Ary tsy misy intsony izay tany masina fa efa nopotehin'ireo traktera daholo”

Ny orinasa Tozzi Green kosa dia mandà mafy manohitra [fr] ireo fitoriana rehetra ambaran'ny fikambanana tantsaha mpamokatra:

TOZZI GREEN réitère également son invitation à toute personne ou groupement, soucieux de prendre une mesure objective de la réalité sur terrain, à visiter les Communes de Satrokala et d’Andiolava.

“Tozzi Green dia mamerina sady manamafy ny fanasany hoan'izay rehetra te hitsidika any an-toerana, izany hoe ny kôminina Satrokala sy Andiolava”

Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara

Valalan'amboa Madagasikara

Valala any amin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara sary nalain'i christopheandre nindramina tamin'ny flickr fahazahoandalana laharana CC-BY-NC

Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]:

Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace la sécurité alimentaire

“Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy taorian'ny firongatr'ireo valala any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, izay manambana ny fanjariam-pambolena sy ny fahampian-tsakafo”

Tombatomban'ny Tetikasan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo na FAO fa vola mahatratra 10 tapitrisa dolara ankehitriny no ilaina maika hoe enti-miatrika ny tsy fahampian-tsakafo izay haterak'izany loza izany [fr].

Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]:

le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne sont pas appropriés pour englober tous les paramètres d'un contrat d'Etat de la dimension du projet

“ireo fehin-dalàna Malagasy mikasika ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena ambanin'ny tany dia tsy mahafehy izay lafiny rehetra tokony hovoarakitr'izay fifampiraharahana ara-pirenena”

Vao nanokana kitapo ny Banky Iraisam-pirenena [na Banky Mondialy] sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena [na FMI] ahafahana manampy ireo firenena andalam-pandrosoana hanatsarany ny fomba ifampiraharahany amin'ny fitrandrahany ireo harena an-kibon'ny taniny.

May Ny Hazo 99 Malaza Ao Amin'Ilay Toera-Malazan'ny Baobab eto Madagasikara

 Avenue of the Baobabs, Morondava, Madagascar

Lalamben'ny Baobab akaikin'i Morondava, Madagasikara nopihan'i Gavinevans hita Wikipedia CC license-BY-2.0. 99 Nolazaina fa may ireo Baobab (jereo ny sary manaraka)

Tohiny »

‘Ny Varavaran'ny Helo’ Any Turkmenistan

‘Ny Varavaran'ny Helo’ araka ny hia amin'ny alina, via Wikipedia.

Tohiny »

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa minisitry ny fampahalalam-baovao taloha rahateo. Ny mpiblaogy Alain Rajaonarivony sy ireo mpanao gazety maro dia nitatitra fa i Mamy Ravatomanga dia voarohirohy amin'ny raharaha fanondranana andramena [fr] izay manambana ny fisian'ny reniala any Madagasikara.

An-Tampon'ny Alam-Baton'i Bemaraha Eto Madagasikara

The Stone Forest a.k.a Tsingy in the Strict Nature Reserve of Bemaraha in Madagascar  on wikipedia CC-license-3.0

Ny alam-bato a.k.a Tsingy ao amin'ny Valan-javaboarin'i Bemaraha eto Madagasikara hita wikipedia CC-license-3.0

Tohiny »

Zimbabwe : Tenifototra #263Chat Hiadian-kevitra Momba Ny Olana Misy Ankehitriny

Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel, nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena :

Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter aho mba hiresahana momba ny firenena mamintsika : Zimbabwe. Adihevitra mikasika ny lasa mahaliana sy ny hoavin'i Zimbabwe no resahina, ary hasongadina indrindra amin'izany ny soso-kevitra momba ny vahaolana mahomby amin'ny hoavy. Nieritreritra aho fa ny fahitana ny tena olana ankehitriny no hibahana 25% amin'ny adihevitra.

Tohiny »

Enim-bolana am-ponja no sandan'ny opa atao amin'ny mpanjakan'i Bahrain amin'ny siokan-tseratsera

Ny iray tamin'ireo mpisiokan-tseratsera efatra izay voatana [en] any Bahrain ka natao fanóavana ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain, dia naharay androany ny didim-pitsarana manameloka azy enim-bolana am-ponja.

Araky nampitain'i Mohammed Abdulameer mpanao lálana any Bahrain sady mpisiokan-tseratsera [ar]:

@wastilawyeR: Iray tamin'ireo izay notsaraina ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain dia voaheloka enim-bolana am-ponja sy ny fitazónana ny solosainy sy ny findainy, izay fitaovana nentiny nanatanteraka ny “helony”

Hetsika manompa no navalin'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha fanontaniana momba izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay

Ny hetsika manopa nataon'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha hany valinteniny mikasika izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay

Ny hetsika manompa nataon'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha hany valinteniny mikasika izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay – sary nadika tamin'ny DNA Algérie – (azo apariaka malalaka)

Tohiny »

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina ankehitriny.

Kenya: Izay vokatry ny fampiasana teknôlôjia amin'ny Fitantanam-pitondrana

Will Mutua no manoratra mikasika ny tatitra iray nivoaka izay namakafaka ireo fomba entin'ireo kandidá filoham-pirenena, amin'ny fifidianana amin'ny taona 2013, ampiasana ny siokan-tseratsera [na Twitter].”

This first report (a mini-report really) investigates Martha Karua’s engagement on Twitter: mentions, hashtags, sentiment analysis, key words used in tweets by her or about her and other such interesting tidbits from analysing her activity on Twitter.

“Ity tatitra voalohany ity (tatitra tena fohy dia fohy) dia mifantoka amin'i Martha Karua sy izay fomba fampiasany ny siokan-tseratsera: izay soratra apariany, ireo hashtagy ampiasainy, izay toe-toe-pony eo am-panoratana, ireo teny izay miverimberina amin'izay sorany na koa avy amin'ny soratr'olo-kafa mikasika azy sy antsipirihany mahaliana maro samihafa manazava izay fomba entiny mampiasa ny siokan-tseratsera [na Twitter].”

Afrika: Izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa Afrikana

John Karanja no miresadresaka mikasika izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa [na platforme] Afrikana:

What is an African platform? What does it look like? and perhaps more importantly what does it do? Will it address a Need or a Want? What exactly will make it African? [...] Will it work elsewhere in the World?

“Inona no antsoina hoe foto-piarahamiasa [na platforme] Afrikana? Manao ahoana no mety ho bikabikany? ary angamba zava-dehibe kokoa, inona no andraikiny? Moa ve ahafahana mamaha olana iray izany na koa mameno banga iray? Inona no lafiny maha-Afrikana azy? [...] ary moa ve valinteny mbola hahomby izy raha toa ka kasaina ampiasaina any amin'ny tany hafa ivelan'ny Afrika?”

Tshady: niharan-doza teo am-piantsonana ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena

Ny mpiblaogy Malaika no mitatitra [fr] fa teo am-piantsonany any amin'ny faritr'i Kalaït dia niharan-doza ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena Tshadiana Idriss Deby. Tsy nisy ny aina nafoy. Handray anjara amin'ny vovónana mikasika fampandrosoana sy fandriampahalemana amin'iny faritra iny no anton-diany tany.

Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo

 Ny mpiblaogy Zenaida Machado no nanapariaka tamin'ny alalan'ny siokan-tserasera [na twitter] fa:

@zenaidamz#GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured”

“Voasambotra i Pansau N´Tchama, izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny Alahady amin'ny alalan'ny fanafihana toby miaramila izay namoizana aina enina.”

Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?

Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara:

Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise politique prolongée.

“Hatramin'ny taona 2009 dia nitombo 4 tapitrisa ny isan'ny mponina mahantra izany hoe ireo izay latsaky ny $1.25/andro ny karamany [ndlr. 2'770 Ariary araky ny sandam-panakalozambola 26.10.2012], ireo zaza tsy miditra an-tsekoly kosa dia nitombo 500'000, toy ny isan'ireo asa very nohon'ny krizy pôlitika lavareny any Madagasikara izay nahatratra 336'000.”

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara mba

ensure continued socioeconomic development without undermining ecological resiliency

“ahafahany sady manamafy ny fivoarany ara-piaraha-monina sy ara-toekarena anefa tsy manampy trotraka ny mahazo ny zava-boahary”

Io tatitra io dia mifantoka indrindra amin'ireo fepetra rehetra noraisina, na nahomby na tsia, mba hampiantoana ny voka-dratsy izay ateraky ny firongatry ny mpitrandraka any amin'ireo faritra vao nahitana harena an-kibon'ny tany.

Arabia Saodita: “Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana ny aty” .. amin'ny hôtely fisakafoana iray

Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana, tsikaritra tamin'ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita. Saripika napariaky @moadaldabbagh

Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana, tsikaritra tamin'ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita. Saripika napariaky @moadaldabbagh tamin'ny siokan-tseratsera


Tohiny »

Tôgô: Andiam-behivavy miakanjo mena no nilahatra mitaky fivoarana ara-pôlitika

Filaharan'ireo vehivavy, miaraka amin'ny vondrona Andeha hovonjentsika i Togo. Saripika avy tamin'ny vohikala Flickr nahazahoana alàlana ny fampisana azy.

Tohiny »

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny