Tantara tamin'ny Tselatra sy Zimbaboe
Zimbabwe : Tenifototra #263Chat Hiadian-kevitra Momba Ny Olana Misy Ankehitriny
Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel, nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena : Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter...
Zimbaboe : Fahadisoana ve ny hoe teraka fotsy volonkoditra?
Mitatitra momba ny politikam-bolonkoditra misy any Zimbaboe i Chris Kabwato [ndlr. ao amin'ny blaogy “Zimbabwe in Pictures” na Zimbaboe an-tsary]: In Zimbabwe there is a person who cannot be sworn in as a minister of state, not because of any crime he committed, but he is simply the wrong colour....
Zimbaboe : Firaisan-kinan'ny mpivarotra
“Mpivarotra eto Zimbaboe, miray hina” hoy ny lohateny lehibe tao amin'ny blaogin'i Kutabana. “Izao no tatitra avy amin'ny olona iray monina ao Harare : Anio tolakandro manodidina ny tamin'ny 2 sy sasany, dia nahita mpivarotra nifanjevo aho, nanary ny entam-barotr'izy ireo ary nihazakazaka namonjy ny ainy. Akaikin'ny Greenwood Park no...
Zimbaboe: Nosamborina ny sekretera jeneralin'ny MDC
Famoretana ny fanoherana hafa ao Zimbabwe indray: “Nosamborina raha vao nigadona fotsiny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Harare ny Sekretera Jeneralin'ny MDC Tendai Biti”: filazana fohy vao azo avy tamin'ny mailaka. Tsy misy na inona na inona fantatra momba azy amin'izao fotoana izao, fa tsy maintsy mampahafantatra anareo haingana araka izay azo atao ihany izahay...
Zimbaboe: Vao nifarana ny fivorian'ny Zanu PF
Vao nifarana ny fivorian'ny Zanu PF, hoy ny tatitry Fanantenana avy ao Zimbaboe : Naharay sms milaza fifaranan'ny ny fivorian'ny birao politika aho – fivoriana iray izay efa nolazain'ny fampahalalam-baovao fa hifantoka amin'ny olan'i Bob (Robert Mugabe). – Tsy misy zavatra hafa ankoatra izay.
Zimbamboe : hatsikana politika
Manoratra ny momba ny hatsikana politika ao Zimbaboe ny kamarady Fatso: “Sao mba misy mahafantatra olona manana fiarabe? Misy mantsy Lezalahy iray ho’aho te-hamindra ny fananany rehetra avy ao amin’ny tranobem-pirenena [fonenan'ny filoham-pirenena] alefa any Zvimba [ambanivohitr'i Mugabe]. Manondro ilay antidahy mpanao didy jadona hifindra monina ho any ambanivohiny io tantara hatsikana...
Zimbaboe : Ny takoritsika andrenivohitra
Harare no renivohitry ny tsahotsahon’i Zimbaboe: “Nisy nanapoaka (na ataovy hoe nanaparitaka) ny gazety hany tsy miankina amin’ny fanjakana mivoaka isan’andro noho izany dia ny tantaram-bahoaka no mba gazetim-bahoaka, miely tahaka ny bitsibitsika ampivarotan-tavoahangy ny nyayas. Nitsoaka any Malaysia [hono] i Mugabe. Nandrombaka ny 68% ny vaton'ireo mpifidy ho filoham-pirenena...
Zimbaboe: Vola mety lany daty
Zavatra mampihomehy mampalahelo no hitan'i Aaron avy any Sodana ka zarainy amintsika ary izy io dia momba ny krizin'ny vola mitranga any Zimbabwe: “Tsy afa-milaza aho tsy mbola nisy toy izay hatramin'izay. Namoaka vola misy soratra manao hoe “best before” izany hoe tsara ampiasaina alohan'ny (toy ny fanafody amin'ny ankapobeny) arahina...