Tantara tamin'ny Tselatra sy Venezoela
Venezoelà: Kiraron'ny tanora sosialisitra toa efa mahazatra
Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro...
Rosia: Toby miaramila rosiana any Venezoalà?
Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.
Kioba : Fifidianana sy ethanol
Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”