Tantara tamin'ny sy

Fandraisana anjara BBC : “fomba fijerinao izao tontolo izao”

Nosoratan'ny Young People's Media Network fa mila anao ny BBC handefa aminy roa minitram-panadihadiana amin'ny “fomba fijerinao izao tontolo izao” ka haely manerantany izany.  Hatramin'ny faha-12 marsa ho avy izao no iandrasana izany.  Azonao vakiana ato ny fisoratana anarana ho amin'izany [fifaninanana] izany. Juliana Rincón Parra

Eoropa: OTAN

  10 Avrily 2008

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny...

Isiraely: Vehivavy Jiosy hoe i Shakespeare?

  21 Marsa 2008

Efa nampisy adihevitra hatry ny ela ny momba an'i Bard (aza manontany akory fa na izaho mpandika teny aza tsy mahalala io anaran'olona io). Mety ho vehivavy Jiosy Italiana ve i Shakespeare (ity no antony nandikako ity lahatsoratra ity)? Porofo valo no atolotry Jhon Hudson ao amin'ity rohy  Jewcy's  ity...

UK: Fanimbazimbana ny tsangambatom-pahatsiarovana fandripahana, noankotrihina

  29 Janoary 2008

Blogian no namoaka sary ahitana ny tsangambato najoro tany Bretainina lehibe tao Cardiff izay nisy nanimbazimba omaly. Tamin'ny fotoana hanomanana indrindra ny andro manokana ahatsiarovana ny fandripahana sy ho fanajana ilay mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Tiorka-Armeniana Hrant Dink nisy namono herintaona lasa izay tamin'ity volana ity tany Istanbul no nisy...

UK: mahamenatra

  29 Janoary 2008

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny...