Tantara tamin'ny sy

Afrika: Fahefana amin'ny alalan'ny fitaovan-dahatrisa (niomerika)

  09 Septambra 2008

Bay Tsimane no mamaham-bolongana avy any amin'ny Fihaonamben'ny olom-pirenena mampiasa fitaovan-dahatrisa (niomerika) tontosaina any Indaba, Afrika Atsimo amin'izao fotoana izao: “Tamin'ity taona ity ny Digital Citizen Indaba (DCI) dia nampiseho tamin'ny fomba mamelombelona sy tamin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny fanovana ny fiainam-piaraha-monina entin'ny haitao finday tahaka ny MXit, finday iray ...

Afirika Atsimo: Fampidirana ny hetra momba ny gaza karibonika

  30 Jolay 2008

Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”  

Afirika: Tatibaovao amin'ny alalan'ny finday

  30 Jolay 2008

White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any  Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny...

Ny feo manaiky fankahalana vahiny

  25 Mey 2008

“Ireo mpanao politika malaza nigoka ny fiarovan'ny vahoaka mozambikana ary efa lasa mpitarika na mpandraharaha amin'izao fotoana izao, nahoana moa izy ireo no tsy manandratra ny feony hiaro ny Mozambikana tsy ho tratran'ny fankahalana vahiny ary hanakana ireo mpanatanteraka (ny herisetra)?”, hoy ny fanontanian'i Bosse Hammarström [pt].

Afrika Atsimo: inona ny dikan'ny teny hoe makwerekwere?

  25 Mey 2008

Soritsoritan'i Khanya ny niandohan'ny voambolana hoe “makwerekwere,” tenin-jatovo ho an'ny vahiny any Afrika Atsimo:  Mpamaham-bolongana roa liana amin'ny teny sy fiteny ny mitady ny dika sy nipoiran'ny teny hoe “makwerekwere”. Tenin-jatovo ho an'ny vahiny izany, indrindra ireo niditra antsokosoko, ary fampiasako amin'ny lahatsoratra hanoherana ny herisetram-pankahalana nitranga nandritra ny roa...

Afrika: Vaovao momba ny lamaody afrikana

  14 Mey 2008

Vaovan-damaody afrikana Ladybrille: “Angom-baovaon-damaody mivoaka isan-kerinandro miresaka momba an'i Afrika na avy eto Afrika. Vaovao misongadina vitsivitsy tamin'ity herinandro ity: a) Mikarakara ny herinandron'ny lamaody voalohany indrindra miaraka amin'ny herinandron'ny Lamaody Coca-cola Accra i Ghana; b) Mamolavola fifandraisana amin'i Azia i Afrika Atsimo, Mikasa hanao seho any Nizeria ilay mpamoron-damaody...

Afrika Atsimo: Loka webby

  22 Avrily 2008

“Nahazo ny lokam-pankasitrahana Webby mifanila amin'i (CNN, CBS News, The New Yorker, CNBC, The New York Times, TIME ary ny the Observer Media Group) i Thought Leader (mpitari-tsaina). Mametraka ny Thought Leader ho ao anatin'ny bolongam-politika 15 be mpamaky indrindra manerantany izany ary mametraka azy ho hany tokana avy eto...

Qatar: Lalam-pandresena

  02 Avrily 2008

Miarahaba ny ekipam-pirenen’i Qatar amin’ny baolina fandaka i Saddavi ao amin’ny Qatar Living tamin’ny nahazoany isa telo voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka erantany izay hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 (Fifa World Cup), raha nandresy ny tompondakan’i Azia Iràka tami’ny isa 2-0.