Tantara tamin'ny Tselatra sy Akon'ny RuNet
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia
Vitsy ankehitriny ny vazimba teratany Sakhalin, antsoina hoe Nivkhs, Ainu, Uilta. Mampiseho ny iray amin'ireo tanàna efa ho faty, Rybnoe, izay misy ny Nivkhs ny fanadihadiana iray .
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.
Tsy handre intsony ny tenin'i Potinina ireo ao anaty vatapaty hoe ‘nandeha araka izay nokinasa ny zava-drehetra’
Nangonin'ny Global Voices ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy tamin'ny teny Rosiana.
Any Rosia, tsy azo antoka ho an'ny ankizy ny lalao video. Saingy tsy noho ny antony mahazatra
Migadra dimy taona noho ny fikasana hanorina ny tranoben’ny FSB sy hanapoaka izany ao amin'ny Minecraft i Nikita Uvarov, zatovo avy any Siberia.
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
‘Fa tena ahoana mihitsy no nahatonga izany?': Namoaka rakikira manohitra ny ady ilay Rosiana mpiangaly rap
Namoaka rakikira vaovao, "Maharitra dia Maharitra ny Volana Febroary." i Vladi, mpihira sangany ao amin'ny tarika rap malaza, izay voarara any Rosia ankehitriny. Manoritsoritra ny fomba maha-tsy takatry ny saina sy mampihoron-koditra ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina io hira io.
Ho an'ireo fetin-tsekoly amin'ny alina hiandrasana Taombaovao ao Maosko, toa hoe tsy mendrika ny mozika sasantsasany
Artista miisa 29 no hita ao anaty lisitra. Ny sasany amin'izy ireny, toa an'i Little Big sy Manizha, dia nisolo tena an'i Rosia tany amin'ny fifaninanana Eurovideo. Izy rehetra ireo dia samy nanameloka mivantana ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina avokoa.
Mampalahelo nefa mahatsikaiky ny kaonty Twitter “No Context Russia”
Mampiseho sary avy any Rosia tsy misy odidina ny kaonty Twitter iray, mampiseho ny firenena amin'ny endrika mampalahelo sady maneso.