Tantara tamin'ny sy

Tirinite sy tobagô, Jamaika: Fety olaimpika

  09 Septambra 2008

“Volam-pihobiana ity olana Septambra ity ho an'i Tirinite sy Tobagô ary Jamaika noho ny figadonan'ireo Atileta nandray anjara tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing farany teo tany an-toerana”: Caribbean Beat Blog te-hanomboka ny fety izany!

Shina : Fanovana ny toetr'andro

  26 Aogositra 2008

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

Libanona : Ny lalao olympika ao Beijing

  19 Aogositra 2008

Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.

Fanamiana Hijab amin'ny Olympika

  19 Aogositra 2008

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Slovakia : Mandrefy medaly Olympika

  18 Aogositra 2008

Araka ny kajikajy nataon'i Margarete, avy ao amin'ny The foreigner's guide to living in Slovakia dia fahafolo i Slovakia amin'ny isan'ny medaly isan'olona tamin'ny lalao Olympika, raha i Slovenia no voalohany.

Zeôrizia sy Estonia: Samy firenena kely ny malemy

  13 Aogositra 2008

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.

Shina: Ankizivavy tonga lafatra tamin'ny fanokafana ny lalao olaimpika?

  12 Aogositra 2008

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana...

Iran: Mitondra fivavahana ambony diso fanantenana

  12 Aogositra 2008

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.

Taiwan: Shina Taipei!

  07 Aogositra 2008

Michael Turton avy ao amin'ny The View from Taiwan (fijery avy aty Taiwan) no namosabosakevitra tanaty adihevitra miresaka momba an'i Taiwan mandritra ny lalao olaimpika any Beijing. Navoitran'ny mpamaham-bolongana ary fa raha efa lefy ny  adihevitra momba ny anarana ho entina, ny asafidianana amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny hoe...

Shina: Ny voasakana sy ny tsy voasakana

  07 Aogositra 2008

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny...