Tantara tamin'ny Tselatra sy Mozika
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Ao Azia Afovoany, ho firaisankina amin'i Okraina dia nofoanana ireo kaonseritra saika hataona Rosiana olo-malaza mpankasitraka ny ady
Mifanohitra amin'ny an'ireo governemanta ao Azia Afovoany, izay manjavozavo ankehitriny ny toerana raisiny, naneho mazava ny fijoroana pôlitikany ireo olom-pirenena tsotra ao amin'ny faritra, tamin'ny nanehoany ny firaisankinany amin'i Okraina
Tohin'ny adiny amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Kyrgyzstan ny rakikiran'i Zere vaovao
Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan
Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy.
D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana
Efa tratran'ny D Billions, izay midika hoe tsiky miliara ny tanjony fatra-paniry laza hametraka tsiky eny amin'ny endriky ny olona an'arivony tapitrisa amin'ny alalan'ny lahatsarin'izy ireo ao amin'ny YouTube.
Mankalaza ny firavoravoan'ny feminista: Ny tanjaky ny ‘playlist’ (lisitra filalao) iaraha-manangana
"Na ianareo mila fatra kely amin'ny afon'ireo pelaka feminista, na mitady feo lafika ho an'ny fanoheranareo, vonona hampijoro anareo sy hilaza ny marina amin'ny fitondrana ity lisitra ity."
Efa hitako (‘déjà vu’) ity vokatry ny Eurovision ity, hoy ilay Môldavy mpihira
Samy efa nandray anjara tamin'ny Eurovision 2012 na ny mpandresy, ilay Soedoà mpihira Loreen, na i Pasha Parfeni avy ao Môldavia. Ary nandresy tamin'ny fifaninanana ihany koa i Loreen tamin'ny taona 2012.
‘Nomenareo elatra aho’: Nisaotra ny mpankafy azy ilay Moldaviana tafakatra lalao famaranana tamin'ny Eurovision
Niaraka tamin'ilay mpihira avy ao Moldavia ity ny mpitendry mozika avy amin'ny firenena sivy hafa voafantina ho an'ny Famaranana Goavana: Kroasia, Soisa, Failandy, Tseky, Israely, Portiogaly, Soeda, Serbia ary Norvezy.
Manao vazivazy hahazoana fanohanana amin'ny Instagram ofisialy ny mpandray anjara amin'ny Eurovision ao Moldavia
Pasha Parfeni, mpihira Moldavy izay voafidy nandritra ny fihodinana nasionaly handray anjara amin'ny Eurovision amin'ity taona ity, namoaka ny sarin'ny fiarany izay tiany ho amidy.