Tantara tamin'ny sy

Rosia: Ny atao amin'ny boky antitra

Akon  18 Febroary 2010

Manary ny boky noho ny fahanterany sy tsy fisian'ny mpamaky azy intsony ny trano famakiam-boky maro, hoy ny mpanao tsikera literera Alexander Zhitinski [RUS]. Ny an'ny trano famakiam-boky iray any Saint-Petersburg aza dia ny boky rehetra nivoaka talohan'ny taona 1999 no nariany. Niteraka adihevitra an-tserasera [RUS] moa izao tsy fanajana...

Eritrea: Fifandraisana arak'asa soratra amin'i Rosia

  10 Desambra 2008

Semantic Eritrea no mitatitra fa nanapa-kevitra hanamafy ny fifandraisana eo aminy sy Eritrea ny fitondran'ny federasiona Rosiana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambarahin'ny poeta malaza Alexander Pushkin, sy  Foiben-kolontsaina Pushkin ao andrenivohitra Eritreana Asmara izany. Ny nahatonga ny fifandraisan'i Pushkin sy Eritrea (Erythrée ho an'izay tsy mahazo resaka) dia niatomboka tamin'ny raibeny...

Angola: Tononkalo ho amin'ny Blog Action Day

  23 Oktobra 2008

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

Joridania: Voarara any Isiraely ny Harry Potter amin'ny teny arabo

  12 Aogositra 2008

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny...