Tantara tamin'ny sy

Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila

  15 Septambra 2013

Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza

Kolombia : Manomboka Fitokonana Nasionaly Ny Mpampianatra

  15 Septambra 2013

Nanomboka [es] fitokonana nasionaly mba hitakiana drafitra ara-pahasalamana mendrika kokoa , ny famaranana ny "politikan'ny fisintahan'ny fanjakana " amin'ny fampianarana ary ireo olana hafa ny mpampianatra avy amin'ny Federasionan'ny Mpanabe Kolombiana FECODE.

Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín

  15 Aogositra 2013

Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra. Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na “el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana...

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

  13 Janoary 2013

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny...

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

  10 Janoary 2013

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.

Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona

  07 Desambra 2011

Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra ny fitondrana jadona izany sary izany, 22 taona izy tamin'izay, nandritra ny fanadihadiana nataon'ny miaramila izay mikasa hanafina ny endriny. “Mahamenatra?”, hoy...

Chile: Bilaogy manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara

  13 Desambra 2010

Ny bilaogy Historia y Reforma [es] (Ny Tantara sy Fihavaozana) dia nanangona ireo “hevitra samy hafa manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara izay niparitaka tamina media  sy tambajotra ara-tsosialy samihafa. Mandritra izay fotoana izay ihany, dia afaka hahafantatra mikasika ireo hetsika isankarazany nokarakaraina mba hiarovana ny fampianarana ny...

Però: Fanentanana isorohana ny fanakatonana tranomboky any Amazonia

  07 Novambra 2010

Mitatitra ny amin'ny fisiana fanentanana fanoherana ny fanakatonana tranomboky  any Iquitos, Però miompana amin'ny tahirin-kevitra momba an'i Amazonia i Juan Arellano avy ao amin'ny Globalizado [es]. Io tranomboky io no faharoa manandanja indrindra momba io lohahevitra io any Amerika Latina.

Porto-Rico: Esheky maty

  25 Septambra 2010

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.