GlobalVoices anaty

Fantina + Amerika Latina

Tahiry Media · 58 Lahatsoratra

Lahatsoratra miaraka amin'ny Sary Lahatsoratra Sary Video Lahatsoratra Video

Tantara farany tamin'ny Fantina + Amerika Latina

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

Mpianatra porto-rikana nanao fitsidihana tao Bastia, any Corse, tamin'ny alalan'ny Vallendrea – Valam-bahoaka

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.

Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona

Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra ny fitondrana jadona izany sary izany, 22 taona izy tamin'izay, nandritra ny fanadihadiana nataon'ny miaramila izay mikasa hanafina ny endriny. “Mahamenatra?”, hoy i Araujo.

Chile: Bilaogy manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara

Ny bilaogy Historia y Reforma [es] (Ny Tantara sy Fihavaozana) dia nanangona ireo “hevitra samy hafa manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara izay niparitaka tamina media  sy tambajotra ara-tsosialy samihafa. Mandritra izay fotoana izay ihany, dia afaka hahafantatra mikasika ireo hetsika isankarazany nokarakaraina mba hiarovana ny fampianarana ny Tantara eo amin'ny seha-panabeazana Shiliana  ihany koa ny mpamaky.”

Però: Fanentanana isorohana ny fanakatonana tranomboky any Amazonia

Mitatitra ny amin'ny fisiana fanentanana fanoherana ny fanakatonana tranomboky  any Iquitos, Però miompana amin'ny tahirin-kevitra momba an'i Amazonia i Juan Arellano avy ao amin'ny Globalizado [es]. Io tranomboky io no faharoa manandanja indrindra momba io lohahevitra io any Amerika Latina.

Porto-Rico: Esheky maty

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.

Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy

Juan Carlos Rivera [es] sy i Hibueras [es] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana tao an-tanànan'i San Pedro Sula. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata roa alina ny isan'ny nandray anjara tamin'ny filaharambe notontosaina tamin'ny 15 Septambra. Namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny nataon'ny polisy tamin'izany moa ny lehilahy.

Shili: Noravan'ny polisy ny famelarana ny saina Mapuche nandritra ny faharoanjato taona

Mizara lahatsary avy amin'olo-tsotra nahitana toa-javatra nitranga nandritra ny  fankalazana ny faharoanjato taonan'ny fahaleovantena i Montserrat Nicolas; Asehon'ny lahatsary ary ny fomba nandravan'ny polisy ny famelarana ny  Saina Mapuche sy ny fisamborana ireo nandray anjara tamin'izany fihetsika saiky hamelatra ny saina Mapuche izany. Naotin'ny mpandika : Ny Mapuche moa no vazimban'i Shili miaraka amin'ny Rapa Nui izay mponina any amin'ny Nosin'i Paska.

Chili: Tolo-kevitra avy amin'ny mpizahantany

Ao an-tanànan'i Arica, any Chili ny mpamaham-bolongana Tomás Bradanovic no nanoratra hoe “tokony hihaino ny mpizahantany isika [es],” fa maro diamaro manko ny mailaka azony avy amin'ny mpizahantany izay saiky manolo-kevitra avokoa amin'ny fanatsarana ny fikarakarana ny mpitsidika, ka tafiditra amin'izany ny fanomezana safidy ho an'olona tsy mihinan-kena, ny fidirana lalindalina kokoa eo amin'ny sehatry ny aterineto ho an'ny trano fandraisam-bahiny, ary ny fanomezam-pahalalana tsy miangatra ho an'ny mpizahantany.

Meksìkô: Fidàngan'ny maripàna ao an-drenivohitra

Nisedra fidàngan'ny maripàna, ny tanànan'i Meksìkô [ndlr. renivohitry ny firenena Meksìka], arak'izay nampitain'i Daniel Hernández mpivoy ny blaogy Intersections [Sampanana], satria nahatratra hatramin'ny 50°C ny maripàna tsikaritra any amin'ny sasantsasany amin'ireo seranan'ny metro [ndlr. fitateram-bahoaka an-dalamby miriòrio ambanin'ny tany].

Orogoay: Tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo

Ny blaogy Con la Cámara en el Bolsillo [miaraka amin'ny saripika ao am-paosiko] dia mitatitra sy manapariaka sary avy any amin'ny faritry ny tanànan'ny Montevideo, (renivohitry) Orogoay. Vao tsy ela i Fonzi no nanapariaka tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo amin'ny rindrina iray [es].

Chili: Tsy nahomby ny fifandraisana

Jorge Barahona no manoratra ny tsy fahombiazan'ny fitondrana Chiliana teo amin'ny lafiny fifandraisana an-tserasera [es] taorian'ny horohorontany, izay tsy nampiasa araka izay tratrany ny fitaovana teo ampelatanany. Na izany aza dia nankasitrahany indrindra ireo fifampitam-baovao tahaka ny Twitter sy ny fidirana an-tserasera 3G izay nahafahany mahara-baovao.

Eduardo Avila

Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy any Arzantina) hanao hosodoko an-drindrina ny andavanandrom-piainana isan-karazany ao amin'ny kibbutz,” hoy Israeli Mom.

Wall Murals (Sourced from www.israelimom.org)

Jamaika, Kiobà, Etazonia: Kiraro iray eny an-tanana

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany koa ny Review of Cuban-American Blogs sy Yohandry's Weblog (ES).

Shilia: CNN sy gazetin'olo-tsotra

Juan Dominguez no milaza ny fifanekem-piaraha-miasan'ny olo-tsotra any Shilia manao gazety mitambatra sy ny televiziona vaovao any Shilia CNN Chile [es], ka anisan'ny tafiditra ao anaty fiaraha-miasa ny fandraisana anjaran'ny olo-tsotra manao gazety ao amin'ny televiziona.

Eduardo Avila

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana ny heloka bevava vitan'ny gazety, gazety-boky, haino aman-jery isan-karazany ary ny vohikala amin'ny aterineto (amin'izany fanodikodinana ny marina izany). Fa miankina aminareo manontolo ihany ny fanaovana izany raha tsapanareo fa izao no fotoana anatanterahana  izany.”

Paragoay: Tolobidina voromby hoan'ny filoham-pirenena

Te-hividy voromby ho an'ny filoham-pirenena ny filoha Paragoaiana Fernando Lugo hanatontosany fitsidihana iraisam-pirenena. Tsy manohitra ireny fitsangatsanganana ireny i Carlos Rodríguez ao amin'ny Rescatar [es] fa  lainy kosa ilay vidiny $7 000 000, ka aleo mitandrina kokoa hanofa raha izany, hoy izy.

Venezoelà: Kiraron'ny tanora sosialisitra toa efa mahazatra

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.

Kolombia: Mpilalao golf lasa reharehan'ankizy

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.

Nikaragoà: Tarika tsy mijoro ara-dalàna mahazo fanohanana ara-bola

Ampangain'ilay mpamaham-bolongana Nikaragoana Ingrid Bergman ny tarika (mpihira) maromaro tsy manana fijoroana ara-panjakana nefa dia tsy manana olana amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola mihoa-mpampana. Ao amin'ny bolongana Sweet Orchid (voninkazo mamy) no anondroan'ny mpanoratra fa mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany saingy antsoiny fa “fanasana vola azo tamin'ny tsy rariny” ny tarika toa an'i Milly Majuc , Carga Cerrada ary División Urbana .

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Kolombia: MP3 tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.

Kiobà: zato taona ny namorona ny hira “Guantanamera”

Teraka 100 taona katroka izay ilay namorona ny hira Kiobana malaza indrindra “Guantanamera” nosoratan'i  Joseíto Fernández, ary nanoratra ny hira nandritra ny faha-20 ny taonany, hoy ny nosoratan'i VivirLatino.

Kiobà, Barbada, Etazonia: Ny kabarin'i Palin

Raha ‘somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina’ ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: “Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny toetry ny tarehiny tahaka an'i Tina Fey sy ireny paingotra malemy ireny moa ho ahy na ho an'olon-kafa antenaina avy aminy ho lasa ‘Mivantana avy any New York amin'ny Sabotsy alina?”

Orogoay : Fihaonan'ny Ceibal faharoa mikasika ny solosaina xo

Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.

Brazil : Antsika ny Alimo

Nisy nanokatra blaogy vaovao : Bronze Brasil 2008 ho fananihaniana ny vokatra azon'ireo atleta Braziliana tamin'ny lalao Olympika ao Beijin. “Toa rava tanteraka ny nofinofintsika handresy ny record amin'ny lalao Olympika noho izao fahazoantsika ny medaly alimo faha-5 izao. Medaly alimo 5. Andro 6 no nilalaovana. Mety ho tanteraka ny nofinofy. Antsika ny alimo”.

Kiobà: Mendrika izany ve?

Yoani Sanchez no manadihady ny volavolankevitra vaovao hampakarana ny vola fandrain'iny olona efa retirety ary dia naka ohatra mpampianatra iray efa ho tonga amin'izany maharetirety azy izany mba hanehoany ny fiangarana ataon'ny rafitra: “Mba hampiharihary azy, ity vehivavy ity dia mbola hiasa dimy taona fanampiny indray, ka rehefa tonga ny fotoana handaozany ny asa ny alin-kasasarana ho azony kosa dia vola fanampiny ahazoany mividy labiera iray isam-bolana.”[fa naninona koa no labiera no natao ohatra e?]

 

Borazila: Niala tsy ho minisitry ny kolontsaina

Maro ny bolongana no nitatitra fa nandao ny toerana mahaminisitry ny kolontsaina azy, deparitemanta nentiny hatrmin'ny 2003, i  Gilberto Gil . Mieritreritra ny hanao laharam-pahamehana ny asa mahampihira azy indray izy.

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho Miss Flamengo ity ary nandray fiarakaretsaka avy eo, ka nampihoraka hakiviana ny kaofiboay teo akaiky teo”. Ho fanoherana ny hanohanana, tsy rariny ary ny fampanantenana poakaty ataon'ny mpanao politika no nanaovany izany.

Costa Rica: Fokonolona Indizeny an-gazety

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny