Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara tamin'ny sy

Però: Ny Fitiavana Dia… Fomba Vaovao Hanairana Ny Olon-tinao

Hanairany ny olon-tiany mandritra ny tsingerintaona nahaterahany, efa voaomany avokoa ny zavatra rehetra amin'ny fanomezana saribakoly vorodamba goavana, saingy nahatonga azy tsy maintsy handeha tongotra [es] maherin'ny efatra miles (fito kilometatra) nibata ilay fanomezana goavambe ny fitokonan'ny fitaovam-pitaterana.

Ity no tantara tsara fiafara an'i Jonatan Rosas, avy any amin'ny distrikan'i Yanacancha, any amin'ny tanàna Peroviana ao Pasco. Tsy nandalo dia lasa moramora io tranga io tao anatin'ny Twitter:

FITIAVANA VE IZANY? Nandeha tongotra 7 kilometatra (4m 61 yard) niaraka taminà saribakoly vorodamba goavana hataony fanomezana ho an'ny olon-tiany PERÚ.- Jonatan Rosas, izay miaina any…

Tsy maintsy nandeha tongotra nilanja ilay fanomezana mavesatra ho an'ny olon-tiany i Jonatan Rosas noho ny fitokonan'ny fitaovam-pitaterana…

Nanao dia sorona i Jonatan Rosas raha nilanja saribakoly vorodamba mirefy 1.60 m (5'2″) noho ny…

Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià

Leo Vultus by Murillo Martinsfor the campaign Run4Run4Lions.

Leo Vultus nataon'i Murillo Martins ho an'ny hetsika Run4Run4Lions.

Taorian’ny fampielezana nataon’ny olona betsaka #sobreontem (Mahakasika ny Omaly) manohana ny vondrona [pt] izay nitarika ny hetsi-panoherana tamin’ny jona lasa teo tany São Paulo, ny artista breziliana dia mitambatra ao anatina tolona vaovao. Amin’ity indray mitoraka ity, ny sangan’asan’izy ireo dia manohitra ny famonoana ny liona any Samburu, Kenià.

Ireo teratany ao amin’ny faritra dia mampiasa poizina na fitaovana hafa iadiana amin’ireo liona izay manafika ny osin’izy ireo. Mba anairana ny be sy ny maro momba io olana io, tamin’ny 2010 ny Tetikasa Ewaso Lions dia nikarakara hazakazaka lavitr’ezaka mba “hanafoanana ny ady eo amin’ny olombelona sy ny bibidia amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny vondron’ny mponina eny an-toerana amin’ny fiarovana ny liona.” Ho an’ireo mpikarakara, “ny fampitomboana ny osy maimaipoana” dia anisan’ny vahaolana, ary izay no antony nanolorana osy an’ireo mpandresy tamin’ny hazakazaka nandritra ny hetsika tamin’ny 2010.

Ankehitriny, ny tetikasa dia miomana ho amin’ny fifaninanana manaraka amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika fitadiavam-bola #Run4Run4Lions, izay hanangona vola ho amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka 2014. Ny sangan’asa miavaka (izay efa misy lafo ny sasany) nataon’ireo artista breziliana dia atolotra ho fankasitrahana ireo izay manohana ny tetikasa.

Raha te ahafantatra bebe kokoa momba ny hetsika:

Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila

Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza, mpitsabo sady mpampianatra ao amin'ny toeram-pikarohana ao min'ny toeram-pitsaboana Sirio-Libanezy.

Maternal home in Cuba. (Foto: Randy Rodríguez Pagés)

Trano Fiterahana any Kiobà. (Sary: Randy Rodríguez Pagés)

Izao no votoatin'ilay taratasy navoakan'ny Floha, gazety mpiseho isan'andro avy any Sao Paulo :

Tongasoa ry mpitsabo Kiobana. Tena ilain'i Brezila ianareo. Ny tsy fahampian'ny mpitsabo any amin'ny faritra lavitra sy ny manodidina dia mahatonga ny olona ho anaty fahasahiranana. Aza miasa loha amin'ny amin'ny fianjonanjon'nireo namanay sasany. Ho lehibe ny fanonerana ataonay amin'ny alàlan'ny fandraisana mafana any amin'ireo vondrom-piarahamonina izay karakarainareo

Araka ny ambaran'i  Oliveira de Souza, any amin'ny fanjakana toa an'i  Sergipe, dia mora ny fivezivezena avy any amin'ny renivohitra mankany amin'ireo toerana hafa ao anatiny, saingy misy toerana maro mijanona ho tsy misy mpiasa, eny fa na dia ireo toerana manana fitaovam-pitsaboana sy tsara fepetra iainana aza.

Talohan'ny tsy fahampian'ny mpitsabo 14.500 tany Amerika Latina, dia nolanian'ny gvernemantan'i Dilma Rousseff ny fandaharan'asa “Mais Medicos” (Mpitsabo Misimisy Kokoa), izay handray mpitsabo avy any Espaina, Portiogaly, Kiobà ary ireo firenena hafa.

Vao haingana teo zao dia nisy tsikera iray momba ny fifanarahana amin'ny Kiobana  milaza fa ” hampiasaina mafy izy ireo”. Izao no namalian'i Oliveira de Souza izany tao anatin'ny taratasiny :

Lazaina fa hiasa toy ny andevo izy ireo. Miray tsikombakomba amin'izany ny Vondrona Panamerikana momba ny Fahasalamana izay efa manana traikefa efa zato taona, hatramin'ny nanaovany sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny governemanta Breziliana. Manameloka izany ny tsikin'izy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina. Amin'ny anaran'ny tanànanay sy ny ankamaroan'ireo mpitsabonay, dia lazaiko fotsiny amim-pahatokiana ny hoe : Fihina Amim-pirahalahiana sy fisaorana mitafotafo ho anareo.

Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín

Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra.

Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na ”el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana sy hankahalana ny tanànan'i Medellín, ary nampiany fa :

tena io fivoarana sy fitomboana hita maso io, ary ny ady tsy mety vita eo amin'ny tsara sy ny ratsy no mahatamana ahy ao. Izany no tena hitiavako ny tanànan'i Medellin, na dia tsy afaka ny hitia ahy aza izy.

Ahitàna sarin-tany azo jerena ihany koa io lahatsoratra io.

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto

Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka tokony ho ao amin'ny Antenimieran-doholona indray ny latsa-bato manaraka. Nanjary lohahevitra malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny lalàna momba ny zon'ny mpiserasera, taorian'ny fanentanana lehibe natao nandritra ny andron'ny latsa-bato tamin'ny 25 marsa 2014, tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #MarcoCivil sy #EuQueroMarcoCivil (Mila ny Marco Civil aho).

Ny dika ankehitriny [pdf] amin'ilay lalàna dia manamafy ireo fepetra momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto, ny fahalalaham-pitenena sy ny fiainana manokan'ireo mpiserasera.

Minisitry ny Kolontsaina sady mpanao mozika malaza, Gilberto Gil, izay nanao ny fanangonan-tsonia Avaaz “Hoan'ny aterineto maimai-poana sy demaokratika“, nisioka hoe:
 

Nandresy isika! Lany ny lalàna #MarcoCivil !! Hoan'ny habaka tsy mitongilana, fahalalaham-pitenena sy ny fiarovana ny fiainana manokana!

Ho an'i Sir Tim Berners-Lee, izany namorona ny aterineto, 25 taona lasa izay, ity no mety “fanomezana tsara indrindra hoan'ireo mpiserasera Breziliana sy hoan'izao tontolo izao”. Tamin'ny fanambarana fanohanana nivoaka andro mialoha ny latsa-bato, nilaza izy fa ny fandaniana ny lalàna Marco Civil dia “hanampy amin'ny fidirana amin'ny vanim-potoana vaovao – ka ho voaaro amin'ny alalan'ny zo nomerika ny zon'ireo olom-pirenena isaky ny firenena tsirairay ” :

Like the Web, Marco Civil has been built by its users – the groundbreaking, inclusive and participatory process has resulted in a policy that balances the rights and responsibilities of the individuals, governments and corporations who use the Internet. (…)  ultimately the draft Bill reflects the Internet as it should be: an open, neutral and decentralized network, in which users are the engine for collaboration and innovation.

Tahaka ny Habaka, natsangan'ireo mpampiasa azy ny lalàna Marco Civil – zava-baovao, iarahana sy andraisan'ny tsirairay anjara, avy amin'ny politika izay mampifandanja ny zo sy ny andraikitry ny tsirairay, ny govermanta sy ny orinasa izay mampiasa ny Aterineto. (…) ny dika farany tamin'ity lalàna ity dia taratry ny endriky ny aterineto: tambajotra misokatra, tsy mitanila ary voatsinjara, ka ireo mpiserasera ihany no milina amin'ny fiarahamiasa sy ny zava-baovao.

Fanabeazana Shiliana : ‘ Tsy Mila Rafitra Ara-Barotra, Tsy Mila SIMCE’

Foto compartida por Alto al SIMCE en Facebook

Sary zarain'ny Alto al SIMCE ao amin'ny Facebook

Fanentanana nokarakarain'ny vondron'ireo mpifanerasera eny amin'ny fampianarana ambony,  mpampianatra, mpianatra izay te-hanakana ny fepetra ny Rafi-pandrefesana ny kalitaon'ny fanabeazana (SIMCE no fiandohan'ny teny amin'ny fiteny Espaniola ), rafitra iray ho lasira fanaovana tombana ny fari-pahaizan'ireo mpianatra Shiliana ny atsaharo ny SIMCE [es] na (“Alto al SIMCE” amin'ny teny Espaniola).

Lazain'io vondrona io fa mandahatra ireo sekoly ny SIMCE ” mba ho hisarihana ny fandraisan'ireo ray aman-dreny fanapahan-kevitra momba ny hatsarana na ny haratsian'ny sekoly”. Ankoatra izay dia hamafisin'izy ireo ihany koa fa “manana anjara fototra amin'ny fiarovana ny tsenan'ny lafim-pampianarana izay manjaka amin'ny fanabeazana Shiliana hatramin'ny nisian'ny jadona olon-tsotra sy tafika (1973-1990)” io rafitra io.

Hazavain'i Cristián Bellei, mpianatra sady mpikaroka, amin'ity lahatsary  [es] manaraka ity, ny andraikitry ny  SIMCE amin'ny “tsenan'ny fanabeazana” :

Hitanareo ao amin'ny Prezi ny fanolorana iray miaraka amin'ny “ antony 10 hanoherana ny SIMCE” [es].

Azonao arahina ao amin'ny Facebook [es], sy ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #AltoAlSIMCE [es] ny fanentanana.

Midira amin'ny fanentanana Alto al SIMCE. Mila fanabeazana iarahan'ny rehetra miasa sy tsy dia anjakan'ny fifaninanana loatra izahay.

Kolombia : Manomboka Fitokonana Nasionaly Ny Mpampianatra

Nanomboka [es] fitokonana nasionaly mba hitakiana drafitra ara-pahasalamana mendrika kokoa , ny famaranana ny “politikan'ny fisintahan'ny fanjakana ” amin'ny fampianarana ary ireo olana hafa ny mpampianatra avy amin'ny Federasionan'ny Mpanabe Kolombiana FECODE. Hahitàna hetsika any amin'ny faritra sy diabe hankany Bogotá, renivohitr'i Kolombia ilay fitokonana.

Nizara sary ao amin'ny Twitter i Catalina Vanegas :

Diabe nasionalin'ny mpampianatra mitokona izao any Girardot… Kalitao tsara ho an'ny fanabeazana !

Raha nibitsika kosa ny minisitry ny fampianarana  hoe:

Manasa ny mpampianatra, ny ray aman-dreny ary ny vahoaka rehetra izahay hamantatra izay efa zava-bita

Fasana Talohan'ny Fanjanahana Espaniola, Mbola Tsy Nisy Nipika, Hita Tao Peroa

@mitrataj : Voasongon'ireo arkeology mpamongatra ny rakitry ny ela avy ao Peroa ireo mpamaky fasana tamin'ny alalàn'ny fihazonany ho tsiambaratelo ny voka-pikarohany http://on.natgeo.com/17kshEo via @NatGeo #wari #huari

 

(more…)

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

Mpianatra porto-rikana nanao fitsidihana tao Bastia, any Corse, tamin'ny alalan'ny Vallendrea – Valam-bahoaka

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.