Tantara tamin'ny Tselatra sy Kyrgyzstan
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Maherifo tsy fantatry ny besinimaro ao Kyrgyzstan mahazo fankasitrahana amin'ny alalan'ny zavakanto an-dalambe
Ny tetikasa Kadam no ohatra amin'ny fandraisana andraikitra ataon'ny tsirairay liana amin'ny fitondrana fanovana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fahaiza-mamorona.
Sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan mampihetsi-po sy mampiseho fifamatorana misy eo amin'ny reny iray sy ny zanany
Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika Ruslan Akun, ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Hita faty tao am-ponja ny milaza tena ho ‘andriamanitra vaovao’ tao Kyrgyzstan sady efa kandidà filoham-pirenena in-telo misesy
Tranga iray hafa mankany amin'ny fironana mampatahotra miseho eo ambany fitondran'ny filoha ankehitriny Sadyr Japarov ny fahafatesan'i Abdyldaev
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Ny ondry Arashan goavambe sy tena lafo vidy any Azia Afovoany
Ny fahavitsian'ny ondry Arashan, ny habeny mahavariana, ary ny hafainganan'ny fitomboany no nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo tadiavina indrindra amin'ny tsenan'ny biby any Azia Afovoany.
Mbola mamiratra sy manome aingam-panahy hatrany ireo taranaka nahazo medaly volamenan'ny mpanao ady tolona ao Kyrgyzstan
Mialoha ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, ankinina amin'izy ireo ny fanantenan'ny firenena handrombaka medaly volamena Olaimpika, izay mbola tsy azon'i Kyrgyzstan.
Ao Azia Afovoany, ho firaisankina amin'i Okraina dia nofoanana ireo kaonseritra saika hataona Rosiana olo-malaza mpankasitraka ny ady
Mifanohitra amin'ny an'ireo governemanta ao Azia Afovoany, izay manjavozavo ankehitriny ny toerana raisiny, naneho mazava ny fijoroana pôlitikany ireo olom-pirenena tsotra ao amin'ny faritra, tamin'ny nanehoany ny firaisankinany amin'i Okraina
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.