Tantara tamin'ny sy

Joridania: Voarara any Isiraely ny Harry Potter amin'ny teny arabo

  12 Aogositra 2008

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny...

Jordana: Ahoana ny ahafahan'ny praiminisitra maneho ny fahamendrehany?

  17 Avrily 2008

Avy any Jordana i Khalaf no manontany: “Ahoana moa no ahafahan'ny praiminisitra nitondra fiakaram-bidin-javatra mihoatra ny 10% nandritra ny fotoana nitondrany, nampihisatra ny fitomboan-karena, tsy nahombiazana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ary tsy afa-nanatontosa tetikasam-panjakana lehibe mihitsy no mbola ho afa-manaporofo ny fahamendrehany?”

Jordania: Misy tontolom-bolongana Arabo hafa koa ka!

  02 Avrily 2008

“Nahita lahatsoratra miresaka momba ny famahanam-bolongana aty amin’ny tontolo Arabo tsy nahy aho. Mitondra ny lohateny voalanjalanja hoe ‘ny famahanam-bolongana any amin’ny tontolo Arabo’ izy ity nefa miresakamomba ny tontolom-bolongana Eziptiana irery ihany, izay miavaka sy lohalaharana eto amin’ny faritra. Aiza ô? Misy firenena 21 hafa anie mandrafitra ny tontolo...

  17 Marsa 2008

“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.

Jordania: Ny fanohanana an'i Hilary

  15 Janoary 2008

Nasehon'ilay Jordaniana Natasha Tynes ny hagagany nahita ny famoahan-kevitra namalian'ny hafa azy (fahatezerana sy fahasosorana) noho ny fanohanany an'i Hilary Clinton tao amin'ny lahatsorany.