Tantara tamin'ny sy

Japan: Andro itsapana ny fahaizana teny japoney

  08 Desambra 2008

Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san...

Japana: Namoaka DVD ilay mpanao politika Yuri Fujikawa

  21 Septambra 2008

Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe...

Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”

  21 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra...

Japàna: Te-hanakatona ny vohikalany ve Mainichi?

  13 Aogositra 2008

Vaovao fhafa indray momba ny raharaha nampikorataba tany Japana momba ny WaiWai ( tsaho nalaza fa mpihaza ankizy ny Japoney sasany any Amerika Latina mba hohaniny), nisy vaovao [ja] nampiakatra ny isan'ny mpamaky any Japana milaza fa eo ampanadihadiana ny ahazoany manakatona ny gazetiny azo vakiana amin'ny aterineto ny gazety Mainichi. Saingy tetsy...

Japana: Nialàn'ny Nissan i Richard Gere

  30 Marsa 2008

Niteraka fanehoan-kevitra an-jatony tao amin'ny dinika (forums)[ja] sy setriny avy amin'ny mpamaham-bolongana ny tati-baovao iray [ja] (fehiny amin'ny teny anglisy) izay nahafantarana fa nofoanan'ny Nissan ny fifanarahana tamin'i Richard Gere ho ana fahitalavitra ara-barotra iray noho ny fanohanan'ity mpanao sarimihetsika ity ny Dalai Lama. Raha mbola eo ampisalasalana raha marina...