Tantara tamin'ny sy

Namotsotra Gadra Politika i Iran

  09 Oktobra 2013

Namotsotra gadra politika maro i Iran tamin'ny Alarobia, isan'izany ilay Iraniana, Nasrin Sotoudeh, mafana fo amin'ny zon'olombelona, mpahay lalàna sy nahazo ny Sakharov Prize.  Nanoratra ny vadin'i Nasrin “Tonga i Nasrin,…hoy zareo hoe afaka ianao.”

Iran: VOA nosovohan'ny “Cyber Army”

  23 Febroary 2011

Nosovohan'ny [no-pirate-n'ny] “Cyber Army” [Tafika an-tseraseran'i] Iran ny tranonkalan'i Voice of America androany [talata] ka nametrahany hafatra ho an'i Hilary Clinton: “Rtoa. Clinton, Tianao ho heno ve ny feon'ny firenena voatsindry? Tsy ho voafitak'i Etazonia intsony ny firenena silamo, ary tianay ianao hampitsahatra ny fitsabahanao any amin'ny firenena silamo.”

Iran: gazety lasibatry ny ady any Gaza

  01 Janoary 2009

Nakaton'ny fitondrana iraniana ny gazetin'ny fanavaozana, Kargozaran. Bolongana sy vohikala vaovao maro no nitatitra fa lasa lasibatra noho ny krizy any Gaza ny Kargozaran.  Navoakan'ny Kargozarn manko ny fanambarana nataon'ny fikambanan'ny mpianatra (Tahkim Vahdat) izay “manameloka an'isiraely sy ny vondrona mpampihorohoro miafina sy mialokaloka any an-tsekoly sy hopitaly any (Gaza)”....

Iran : Ahmadinejad sy ny Zava-mahadomelina

  20 Septambra 2008

Araka ny lazain'i Emroozema [Fa], mpitoraka blaogy avy ao Iran  dia 600000 ihany no nolazain'ny Filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadineja fa marary noho ny fidorohana zava-mahadomelina ao Iran. Araka ny voalazan'ny tompon'andraikitra hafa nefa, hoy ihany ity mpitoraka blaogy ity dia mananika ny 3 tapitrisa ny isan'ny marary noho ny zava-mahadomelina...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

  14 Septambra 2008

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.