Tantara tamin'ny Tselatra sy Hevitra
Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney
Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Tohin'ny adiny amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Kyrgyzstan ny rakikiran'i Zere vaovao
Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan
Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy.
Niara-nijoro tamin'ilay vehivavy mpikatroka ny fitsarana avo indrindra ao Kyrgyzstan ka mamela ny fampiasana ny anaran-dreny
Afa-manampy ny anarany avy amin'ny anaran-dreniny manomboka izao ny olona ao Kyrgyzstan.
D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana
Efa tratran'ny D Billions, izay midika hoe tsiky miliara ny tanjony fatra-paniry laza hametraka tsiky eny amin'ny endriky ny olona an'arivony tapitrisa amin'ny alalan'ny lahatsarin'izy ireo ao amin'ny YouTube.
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.
Mahita fonenana vaovao ao Tiorkia ireo Rosiana manohitra ny ady
Tsy tena mazava tsara hoe Rosiana firy no tonga ao Tiorkia hatreto hatramin'ny fananiham-bohitra tsy nisy antony nataon'i Rosia tamin'i Okraina.
“Chef” tanora ao Baku mamadika ny efitranony ho trano fisakafoanana
Sady "studio" no trano fisakafoanana ilay toerana. Be fotoana fakantsary sy lahatsary atao ao, ary misy ireo votoaty noforonina ho ana sehatra samihafa miresaka haify.
Namoaka pasipaoro vaovao ahitana ireo malazan'ny tantara an-tsary ao aminy i Belzika
"Ny fampidirana ity pasipaoro vaovao ity ihany koa no fotoana ahafahantsika manasongadina ny kanto faha-9, ny tantara an-tsary, izay singa fototra amin'ny kolontsaintsika sy ny tarapahazavana entiny any ivelany."