Tantara tamin'ny sy

Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo

  29 Oktobra 2012

 Ny mpiblaogy Zenaida Machado no nanapariaka tamin'ny alalan'ny siokan-tserasera [na twitter] fa: “@zenaidamz: #GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured” “Voasambotra i Pansau N´Tchama, izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny Alahady amin'ny alalan'ny fanafihana toby miaramila izay namoizana aina enina.”

Ginea Bisao: Mihamalaza hatrany ny finday

  23 Oktobra 2008

Jorge Rosmaninho no manoratra ao amin'ny gazety antserasera mpiteny pôrtigey O Patifundio [pt] fa miroborobo fatratra ny finday any Ginea Bisao. “Tsy misy mpampianatra izay tsy mitaraina fa, isaky ny fanombohan'ny lesona, dia mandany folo minitra aloha ny mpianatra miady izay tokony hamahana herinaratra voalohany ny findainy amin'ny prizy (tsaidrianaratra)...