Tantara tamin'ny sy

Iran: Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea

  13 Avrily 2008

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea iray nandritra ny fotoam-pivavahana Asabotsy tao an-tanànan'i Shiraz atsimon'i Iran,Olona valo farafahakeliny no maty tamin'izany ary 66 no naratra. Sayetanha,mpamaham-bolongana avy ao Shiraz, no niteny[Fa] fa maro no maty fa tsy voa kosa ny mpitondra fivavahana.

Iran: Sary tamin'ny fipoahana baomba

  13 Avrily 2008

Namoaka sary vitsivitsy tamin'ny (taoriana) fipoahana baomba tao amina moskea  iray tany atsimon'i Iran izay tao an-tanànan'i Shiraz ka nahafatesana olona 8 farafahakeliny i Erfan avy ao amin'io tanàna io ihany. Nilaza moa ny mpamaham-bolongana fa matahotra izy ny hampiseho ny fakantsariny hany ka tamin'ny findainy avokoa no nakany ny sary.

Iran: Miantso fihavaozana i Ahmadinejad

  09 Avrily 2008

Mahmoud Ahmadinejad, Filoha Iraniana, tamin'ny famahanam-bolongana farany nataony, no niteny [Fa] fa mila fanavaozana ny firenena ary tsy tokony afangarontsika ny fahakamoana sy ny fifikirana amim-pahalalàna ny nentim-paharazana.Niangavy ny olona izy tsy hatahotra ny fanavaozana.

Iran : Voasivana ny Vaovaon’ny Shia

  05 Avrily 2008

Lazain’i Bahraini [Fa] fa sivanin’ny mpitondra ny vohikalam-baovaon’ny Shia Iraniana ( foibem-pampahalalam-baovao ho an’ny shiita) nefa tsy misy manazava ny anton’izany. Ampian’ny mpamaham-bolongana moa fa nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asany ny mpitantana ny vohikala. Indreto misy saripikan’ny fotoampisokafan’ny Vaovaon’ny Shia.

Iran : Sarin’ny mpivarotena

  05 Avrily 2008

Mahatsiahy an’i Kaveh Golestan, ilay mpaka saripika Iraniana malaza indrindra, izay matin’ny vanja milevina tamin’ny 2003 tany Iràka teo amin’ny faha-51 taonany i Sibiltala. Tian’ny mpamaham-bolongana [Fa] ny saripikan’i Kaveh avy amin’ny mpivarotena Iraniana talohan’ny Revolisiona Islamika.