Tantara tamin'ny Tselatra sy Tontolo_iainana
Maherifo tsy fantatry ny besinimaro ao Kyrgyzstan mahazo fankasitrahana amin'ny alalan'ny zavakanto an-dalambe
Ny tetikasa Kadam no ohatra amin'ny fandraisana andraikitra ataon'ny tsirairay liana amin'ny fitondrana fanovana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fahaiza-mamorona.
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto
Fikambanana miisa 300 eo ho eo no nivondrona ao anatin'ny antson'ny mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana sy fandringanana ala rehetra ao amin'ny faritra, araka ny fanambarana navoaka tamin'ny 28 Jolay.
Mitodika amin'ireo dinôzôrony i Môngôlia mba hisarihana bebe kokoa an'ireo mpizahatany
Amin'ireo karazana dinôzôro 400 hita hatreto, 80 no avy any Atsimon'i Môngôlia, izay niaina nandritra ny vanim-potoana Crétacé tamin'ny vanim-potoana Mesôzôika.
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta
Nandritra ny telo taona farany monja, doro ala goavana efatra no nitranga tao Avaratra sy Atsinanan'i Kazakhstan, izay niteraka fahapotehana ala maherin'ny 100 000 hektara.
Nahita paradisan'ny tantely tao Kyrgyzstan ny hongroà mpiompy tantely
Raha nanoritsoritra ny faritra Toktogul, nilaza i Ferenc Takács avy amin'ny Fulmer hoes: “Paradisan'ny tantely ity satria paradisan’ny voninkazo.”
Nahatratra ny dingana manan-tantara amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Cannes ny sarimihetsika Mongoliana ‘If Only I Could Hibernate’
Manomboka vanim-potoana vaovao amin'ny indostrian'ny famokarana sarimihetsika ao Mongolia ny fahombiazan'ilay sarimihetsika. Ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny ny fanjakana.
Nataon'ny praiminisitra Zeorziana fanomezana ho an'ny vadiny ny ampahany tamin'ny alan'ny fanjakana
Nahazo fanakianana ny Praiminisitra Zeorziana Irakli Gharibashvili taorian'ny nanofan'ny governemanta ho an'ny vadiny ny alam-panjakana efa ho 6.000 metatra toradroa tao an-tanànan'i Bakuriani.