Tantara tamin'ny sy

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

  18 Janoary 2014

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay. Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter...

Ejipta: Alaivo aloha ny Corolla-nareo

  16 Febroary 2010

Manamarika i Zeinobia fa nanery ny Toyota Ejipta haka ny sasany amin'ny maodeliny avy any amin'ny fivarotana fiara ny Sampana Ejipsiana miaro ny mpanjifa mba hanitsy ireo Toyota manana fahasimbana fa anjaran'ny orinasa ny fandaniana amin'izany. Eman AbdElRahman

Ezypta: Moa ve Palestiniana i Obama?

  17 Desambra 2008

Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny Amerikana sy ny hetsika Sionista: Foko Palestiniana iray avy any Al Jaleel no mitabataba fa Taranaky ny iray amin'izy ireo...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

  14 Septambra 2008

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

  16 Avrily 2008

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.

Jordania: Misy tontolom-bolongana Arabo hafa koa ka!

  02 Avrily 2008

“Nahita lahatsoratra miresaka momba ny famahanam-bolongana aty amin’ny tontolo Arabo tsy nahy aho. Mitondra ny lohateny voalanjalanja hoe ‘ny famahanam-bolongana any amin’ny tontolo Arabo’ izy ity nefa miresakamomba ny tontolom-bolongana Eziptiana irery ihany, izay miavaka sy lohalaharana eto amin’ny faritra. Aiza ô? Misy firenena 21 hafa anie mandrafitra ny tontolo...

Ezipta: Antso ho amin'ny fitokonana faobe

  27 Marsa 2008

“Miantso fitokonambe izay hotanterahina ny 6 aprily ho avyizao, izany hoe roa andro mialoha ny fifidianana filakevim-paritra ny vondron'ny mpanohitra any Ezypta ka tafiditra anatin'ireo mpiantso ny antokon'ny mpiasa, ny Kifaya, ny mpirahalahy Miozolmana izay antoko voarara, ny tsy nahazo fahazoan-dalana hijoro antoko Karama (na fahamendrehana amin'ny teny malagasy) ,...

Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

  20 Marsa 2008

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity...

Egypta: Hiatrika ny ampitso

  20 Marsa 2008

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka...

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

  24 Janoary 2008

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.