GlobalVoices anaty

Fantina + Azia Atsinanana

Tahiry Media · 60 Lahatsoratra

Lahatsoratra miaraka amin'ny Sary Lahatsoratra Sary Video Lahatsoratra Video

Tantara farany tamin'ny Fantina + Azia Atsinanana

Shina: ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, sariitatra sy sivana

Ity sarin'i Mao ampanaovina sarontava ity, natao hisarihan'ny mason'ny mpijery amin'ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, dia voasivana tamin'ny seran-tsiokantseratsera Sina Weibo. (Nampitain'ny

Ity sarin'ny olomangam-pirenena Mao izay ampanaovina sarontava ity, natao hisarihan'ny mason'ny mpijery amin'ny haloton'ny rivotra ifohana any Pékin, dia voasivana tamin'ny seran-tsiokantseratsera Sina Weibo. (Nampitain'ny “Blocked on Weibo”)

Madagasikara : Taorian'ireny raharahara fanaovana ampihy mamba ny tany lonaka ireny, dia efa tafaverina sahady ve ny Daewoo?

Ny namana mpiblaogy Sam Ganegie no manapariaka taratasy malalaka izay nosoratan'Atoa Mamy Rakotondrainibe hoan'Atoa Andry Rajoelina ary mangataka fangaharahana mikasika ny raharaha manodidina ny fiverenan'ny orinasa Daewoo Logistics anivon'ny tontolo ekônomika Malagasy [fr]. Manolotra fanampim-panazavana manodidina ny fiverenan'io raharaha Daewoo io [fr] i Mahefa Rakotomalala [gazety lexpressmada.com]. Ity orinasa Koreana tatsimo ity moa dia iaraha-mahalala tamin'ny saika nanaovany ampihy mamba tany lonaka be velarana izay isan'ireo raharaha nahararaka ny filoha Ravalomanana teo aloha. Mety tsy ho raharaha tokana anefa io fa ahiana ny fisian'ireo fifanarahana hafa mikasika fanaovana ampihy mamba tany any Madagasikara.

Notaterin'i Mahefa Rakotomalala [gazety lexpressmada.com] koa ny valitenin'ny fitondrana Tetezamita:

la Vice-primature chargée du Déve­loppement et de l’aménage­ment du territoire (VPDAT) diffuse un communiqué, avec des copies de documents officiels datant de l'année 2010 qui stipulent le rejet des demandes d'acquisition de terrains de grande superficie déposées par la société Madagascar future entreprise [ndlr filiale de filiale de Daewoo Logistics] et Varun Industry dans cinq régions.

« ny biraon'ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany dia manapariaka fampandrenesana sy kopian'anton-taratasy ofisialy nivoaka tamin'ny taona 2010, ho porofon'ny fandavana ny fangatahan'ireo orinasa Madagascar future entreprise [ndlr an'ny orinasa Daewoo Logistics] sy Varun Industry ireo, hampiasa velaran-tany midadasika any amin'ny faritra dimy eto Madagsikara. »

Korea Avaratra: Mitombo ny Fitarainan'ny Vahoaka

(Ny rohy dia amin'ny teny Anglisy sy Koreana)
Nitatitra ireo teratany Koreana Tavaratra fa ao anatin'izao olan'ny tsy fahampian-tsakafo izao ary ny fifandimbiasan-toerana efa an-dàlana, maro ny vahoaka Koreana Tavaratra no mandefa ny tarainan-dry zareo mikasika ny fianakaviana Kim, hoy ny Daily NK manoratra [ko], Koreana Tavaratra iray monina ao  Seoul no misaina siniben-drano sy ny media amin'ny aterineto.

Japàna: Festival Sanja

Zuco dia manapariaka andian-tsary mahatalanjòn'ny Festival Sanja izay fety nentim-paharazana ankalazaina any Asakosà, Tokyo, Japàna.

Japàna: Karnavaly Cosplay

The Englishman [Ilay rahangahy Anglisy] dia manapariaka andian-tsary maromaron'ny Karnavaly Cosplay [fiakanjoana sy fakan-tahaka ireo mpilalao tantara sariitatra] any Ozaka, Japàna.

Japana: Tsy misy fitaovam-piadiana nokleary?

Navoakan'i Martin J Frid tao amin'ny bolongany vao haingana ny fifanarahana miafina teo amin'i Japana sy Etazonia tamin'ny 1969 izay mandika ny foto-pifanarahana telo tsy ampiasana fitaovana nokleary nosoniavin'ny praiminisitra Japoney Sato tamin'ny taona 1974. Nosoritan'ny fifanarahana fa na misy ady na krizy dia tsy hanohitra ny fampidiran'i Etazonia fitaovam-piadiana nokleary any aminy i Japana, ary ampiasaina any.

Oiwan Lam

Ejipta: Alaivo aloha ny Corolla-nareo

Manamarika i Zeinobia fa nanery ny Toyota Ejipta haka ny sasany amin'ny maodeliny avy any amin'ny fivarotana fiara ny Sampana Ejipsiana miaro ny mpanjifa mba hanitsy ireo Toyota manana fahasimbana fa anjaran'ny orinasa ny fandaniana amin'izany.

Eman AbdElRahman

Kambôdza: Sary voarara

Noraran'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny sarimihetsika any Kambôdza ny mpikarakara hetsika ara-kolontsaina iray tsy hampiseho sary manangona voalavo, ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra  Sam Rainsy ary saripikan'ny olona milahatra ho any Phnom Penh hitaraina amin'ny Praiminisitra.

Mong Palatino

Taiwan: Nanala ankeriny ny frezy dia polisy

Vao maraina be ora vitsivitsy lasa izay dia voaesotry ny polisy an-keriny niala tao amin'ny Kianjan'ny fahafahana ao Taipei ny hetsiky ny “frezy dia”n'ny mpianatra [tatitra amin'ny teny Shinoa eto (zh)] . Nanao fitokonana mitohy nandritra ny iray volana teo manko ny mpianatra taorian'ny hetsi-panoherana teo amin'ny Biraon'ny Fitantanana (ny tanànan'i) Yuan ho valin'ny herisetra sy fanaovana fanosihosena ny zon'olombelona nataon'ny polisy nandritra ny fitsidihan'i Chen Yunlin tany Taiwan tamin'ny volana Novambra teo. Voaesotra teo amin'ny Kianja ihany koa tamin'ny talata teo ny vondron'ny mpialokaloka Tibetan.

 David Reid

Japan: Andro itsapana ny fahaizana teny japoney

Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san hihetsi-po mahita ny hamaroan'ny vahiny — avy amin'ny vazantany efatra samy manana ny fiteniny azo eritreretina rehetra — nanapa-kevitra hanoka-tena hianatra ny teny Japoney.

oviana re no mba hisy tahaka izany koa ny an'ny teny Malagasy?

Taiwan: Filoha very saina?

Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa. Sa ahoana ary no dia adala be tahaka izao ity Filoha ity?”  Lynn Miles moa lasa lavitra ny fisainany amin'ny hoe ahoana moa no ieritreretany fa zavatra tsara ny fandavan'i Ma  ny Dalai Lama(en).

Thailand: Fetiben'ny mpifady hena 2008

Mankalaza ny fety isantaonan'ny mpifady hena ny fokonolona Shinoa mipetraka any Thailand. Jereo sao mahaliana anao ireto sary manaraka ireto.

Singapaora: Voarara ny ronono shinoa

Nahitana melamina , ilay fangaro namparary sy nahafaty zaza tany Shina, ihany koa ilay marika ronono holandey any Singapaora. Voarara any Singapaora moa ankehitriny ny ronono avy any Shina. Nosoratan'ny mpamaham-bolongana iray : “Ho porofon'ny fifandraisan'izao tontolo izao sy ny fiafaran'ny sakafo amin'izao fotoana izao, dia efa niitatra tafavoaka an'i Shina ankehitriny ny fahitana sakafo voamboatran'ny orinasa “voapoizina”.”

Japana: Namoaka DVD ilay mpanao politika Yuri Fujikawa

Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe “mahafatifaty loatra” i Fujikawa [ja], nefa nambarany ombieny ombieny[ja] tamin'izany fotoana izany fa tsy mieritreritra velively no ho tarento izy.[ny tarento any Japana dia olona aseho tele matetika noho ny hatsaratarehiny sy ny bikany mba hisintonana mpijery sy hampiala voly ihany koa]

Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra raha jerena ny tantaran'i Eoropa, Amerika ary Shina ary mampifandray izany amin'ny fomba maoderina any Japana.

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Taiwan: Fitotonganan'ny tsenam-petra-bola ifampiraharahana

Ny bolongan'i Michael Turton no miresaka ny fiantraikany amin'ny sehatra politika ny fihenan-danjan'ny tapakilam-pifampivarotam-petra-bola any Taiwan.

Shina : Fanovana ny toetr'andro

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

Japàna: Te-hanakatona ny vohikalany ve Mainichi?

Vaovao fhafa indray momba ny raharaha nampikorataba tany Japana momba ny WaiWai ( tsaho nalaza fa mpihaza ankizy ny Japoney sasany any Amerika Latina mba hohaniny), nisy vaovao [ja] nampiakatra ny isan'ny mpamaky any Japana milaza fa eo ampanadihadiana ny ahazoany manakatona ny gazetiny azo vakiana amin'ny aterineto ny gazety Mainichi. Saingy tetsy andanin'izay, dia hitan'ny 2channel fa  efa nisy mialoha ny nisian'ny aterineto [ja] (mifanohitra amin'izay noheverina hatramin'izay), ity lahatsoratra momba ny WaiWai ity ary efa azo jerena amin'ny aterineto ho azon'ny rehetra jerena ihany koa ny porofomanamarina izany. (Naoty: Efa nilaza mazava moa ankehitriny ny gazety Mainichi fa tsy mikasa ny hanakatona ny vohikalany izany [ja].)

 

Shina: Fitoriana miaraka

Misy vohikala iray natsangana mba handrindrana fitoriana miaraka ataon'olona maromaro hanoherana ny sivana manjaka amin'ny aterineto any Shina.

Shina: Ankizivavy tonga lafatra tamin'ny fanokafana ny lalao olaimpika?

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana bitika dia bitika hitako tsy nifanandrify tsara feo sy ny sary, ankoatra ny tsy fiezahan'ilay zaza hihira mafy nefa mafy anie izany feo izany e!]

Taiwan: Shina Taipei!

Michael Turton avy ao amin'ny The View from Taiwan (fijery avy aty Taiwan) no namosabosakevitra tanaty adihevitra miresaka momba an'i Taiwan mandritra ny lalao olaimpika any Beijing. Navoitran'ny mpamaham-bolongana ary fa raha efa lefy ny  adihevitra momba ny anarana ho entina, ny asafidianana amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny hoe Shinoa Taipei sa Shina Taipei.

Shina: Ny voasakana sy ny tsy voasakana

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny tena mitoetra dia ny fanakanana ihany. Mbola mikatona manko hatramin'izao ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena tahaka ny inmediahk.net any Hong Kong.

Vietnam: Ny resaka fananahana no be mpitady indrindra

The Comical Hat no nanoratra fa hatramin'ny taona 2007, fa niakatra avo dia avo ny fitadiavana amin'ny alalan'ny voambolana hoe ‘sex’ na fananahana ao Vietnam ary nahasongona ny firenena tahaka an'i Ezipta, India, Maraoka ary Indonesia ary izany.

Shina: Lisitry ny vohikala tsy nosakanana amin'ny lalao olaimpika

Life 2.0 mamaham-bolongana Isaac Mao no nanangona ny lisitry [zh] ny vohikala vaovao tsy nosakanana hatramin'ny herinandro teo hanarahana ny lalao olaimpika andro mafana 2008. Maro moa no wmanontany tena hoe mandra-pahoviana izy ireo no tsy hosakanana; Mao kosa nanoratra hoe: ‘faingàna ary misoratana anarana amin'ireny ô!’

Madagasikara tamin'i Hong Kong:”Avereno ny Emeraodanay”

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena ny vato izay nahazoan'i Chan SicPo izay aritisita alalana ny hampiranty azy sady nilazany rahateo fa tamin'ny fomba ara-dalàna no nahazoany ny vato izay ana orinasa mpitrandraka vato miorina ao la Reunion antsoina hoe Orgaco .

[naoty avy amin'ny mpandika teny: ao amin'ny rohy dia voalaza fa orinasa Firantsay ity Orgaco ity, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe sao dia mbola anisan'ny antony nahatonga ny fandroahana ilay masoivoho Firantsay ihany koa ity vato ity? Niaro ny "azy" manko ny fitsarana Firantsay raha izany]

 

Shina: Tambajotra Viritoaly idifiana sivana

Tamin'ny alalan'ny PandaPassportn'i Rick Martin tao amin'ny Facebook milaza Tambajotra Viritoaly: “Ho an'ny rehetra any Shina, ity no  fanararaotra hijerenao izay tianao hojerena (ialana amin'ny sivana manjaka any).  Mametraka rindrambaiko (riindrankajy) vetivety monja dia vonona ny rehetra…andramo dia ho hitanao.

Litoania: Tsy hanatrika ny lalao olaimpika ny Filoha

Lituanica no nitondra vaovao milaza fa nanapa-kevitra ny tsy hanatrika ny lalao olaimpika hotontosaina any Beinjing ny filoha Litoaniana Valdas Adamkus.

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

Shina: Mitohy ny fanakatonana bolongana miresaka lalao olaimpika

Nakatona efa herinandro izay ny vavahadin-tserasera mpanolotra bolongana iray anisan'ny ela nijoroana indrindra any Shina dia ny Sohoxiaobao ary hijanona ho amin'izay toetrany izay mandrapahatapitry ny lalao olaimpika amin'ny faraparan'ny volana Aogositra.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny