Tantara tamin'ny sy

Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety

  21 Oktobra 2010

Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.

Belzìka : Hihàran'ny fandraràna ve ny rakitsariitatra ”Tintin any Kôngô”?

  12 Mey 2010

Tintin au Congo [Tintin any Kôngô],  ilay rakitsariitatra faharoa amin'ny andian’Ireo tantaram-piainan'i Tintin izay diam-penin'ny kalaza Hergé, teratany Belzà [avy any Belzìka] izay mpanoratra ny tantara sady nanao ireo sariitatra mitantara ny fiainan'izato tovolahy mpanao gazety antsoina hoe Tintin, dia miatrika fandraràna nohon'ny fitoriana fanavakavaham-bolo-koditra. Ao amin'ny blaoginy Black Bazar, Alain...

Rwanda: nampiato gazety

  17 Avrily 2010

Nametraka rohy amina tantara vitsivitsy mahaliana avy any RD Kôngô i Jason : “* Nampiato gazety roa mpitsikera tsy hivoaka mandritra ny enim-bolana i Rwanda, izany hoe tsy afa-mitatitra ny fizotran'ny fampielezan-kevitra ireo – Tsy faly i Texas in Africa. * Resadresaka tsara dia tsara nifanaovana tamin'ny mpikamabana ao amin'ny Akademia...

RD Congo: Radio sy tele maro nakatona

  16 Septambra 2008

Mediatic [Fr] no manoratra ny fikatonan'ny foibena televiziona dimy sy fampielezam-peo roa any Kinshasa tsy nahazo alalana ary maminaviina fa io ilay nampiomanan'ny fitondrana any fa “hanadio ny trano” izy.  (via Réseau International de correspondants francophones)

RDC: 1.3 miliara dolara ny vola niodina

  27 Jolay 2008

[Tsikin'ny mpandika teny: Tsy vola maditra tsy akory no lazaina fa vola navilivilin'ny sasany] Tany Congo, Nomelohin'ny fiadidiana ny praiminisitra ny sampan-draharaham-panjakana folo any aminy, ary tafiditra amin'izany fanodikodinam-bola mahatratra 1.3 miliara dôlara izany ny sampan-draharaha mpitaky hetra sy haba isan-karazany, ny JIRAMA kongoley ary ny fiantohana, hoy ny tatitry...

RD Kôngô: Fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny herisetra

  18 Avrily 2008

Ezaka ankapobe hamongorana ny fanolanana anyamin'ny repoblika demokratikan'i Kôngô: “Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) sy ny hetsika iraisam-pirenena miady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy fantatra amin'ny anarana V-Day no nametraka fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny fanolanana any RDKôngô ary hampanjaka ny rariny ho an'ireo tràn'ity...