Tantara tamin'ny Tselatra sy Voina
Tanora fiaviana Miozolomana nanavotra olona mihoatra ny zato nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Moskoa
Islam Khalilov, dimy ambin'ny folo taona, miasa tapakandro amin'ny maha-mpiandry toeram-pisoloana akanjo, nahatarika olona mihoatra ny zato hivoaka ny Crocus Concert Hall nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .
Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto
Fikambanana miisa 300 eo ho eo no nivondrona ao anatin'ny antson'ny mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana sy fandringanana ala rehetra ao amin'ny faritra, araka ny fanambarana navoaka tamin'ny 28 Jolay.
Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta
Nandritra ny telo taona farany monja, doro ala goavana efatra no nitranga tao Avaratra sy Atsinanan'i Kazakhstan, izay niteraka fahapotehana ala maherin'ny 100 000 hektara.
Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia
Tao anatin’ny ezaka hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe niharan'ny horohorontany, nanapa-kevitra ny hamerina indray ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray tao amin'ny moskea i Ömer Faruk Amca.
Mitombo hatrany ny fahatezerana raha namely an'i Torkia ny horohoron-tany roa hafa
Nitondra izany tao amin'ny Twitter ny Tiorka miantso ny fanjakana mba handefa tranolay bebe kokoa sady manontany ihany koa hoe aiza ny vola voaangona hatramin'ny horohorontany farany roa herinandro lasa izay.
Tiorkia : nohozongozonin'ny andiana horohorontany mandravarava
Sary nalaina avy eny an'habakabaka avy amin'ireo toerana voadona mafy indrindra mampiseho ny faharavana tamin'ireo tranobe, hopitaly, tranom-panjakana ary ireo tranobe hafa maro, anisan'izany ny Lapan'i Gaziantep izay niorina efa ho 2000 taona.
Nompian'ilay mpamonjy voina ny saka iray navotany taorian'ny horohorontany tany Tiorkia
Namonjy olona miisa dimy tao ambanin'ny trano rava tao Gaziantep ny ekipan'ny mpamonjy voina avy ao Mardin. Teny an-dalana hody hiverina ho any Mardin, niampy iray ny ekipa, ilay saka antsoina hoe Wreck.
Tsy voamarika amin'ny asa fikarohana sy famonjena ao Tiorkia ireo mpamonjy voina manana tongotra efatra
Maro amin’ireo ekipan’ny iraka fikarohana sy fanavotana eny an-toerana no niantehitra tamin’ireo alikany mpanampy , izay niasa tsy an-kiato nandritra ny herinandro lasa.