Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Tsipalotra + Hafanàm-po an-tserasera

Tahiry Media · 77 Lahatsoratra

Lahatsoratra miaraka amin'ny Sary Lahatsoratra Sary Video Lahatsoratra Video

Tantara farany tamin'ny Tsipalotra + Hafanàm-po an-tserasera

Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto

Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka tokony ho ao amin'ny Antenimieran-doholona indray ny latsa-bato manaraka. Nanjary lohahevitra malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny lalàna momba ny zon'ny mpiserasera, taorian'ny fanentanana lehibe natao nandritra ny andron'ny latsa-bato tamin'ny 25 marsa 2014, tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #MarcoCivil sy #EuQueroMarcoCivil (Mila ny Marco Civil aho).

Ny dika ankehitriny [pdf] amin'ilay lalàna dia manamafy ireo fepetra momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto, ny fahalalaham-pitenena sy ny fiainana manokan'ireo mpiserasera.

Minisitry ny Kolontsaina sady mpanao mozika malaza, Gilberto Gil, izay nanao ny fanangonan-tsonia Avaaz “Hoan'ny aterineto maimai-poana sy demaokratika“, nisioka hoe:
 

Nandresy isika! Lany ny lalàna #MarcoCivil !! Hoan'ny habaka tsy mitongilana, fahalalaham-pitenena sy ny fiarovana ny fiainana manokana!

Ho an'i Sir Tim Berners-Lee, izany namorona ny aterineto, 25 taona lasa izay, ity no mety “fanomezana tsara indrindra hoan'ireo mpiserasera Breziliana sy hoan'izao tontolo izao”. Tamin'ny fanambarana fanohanana nivoaka andro mialoha ny latsa-bato, nilaza izy fa ny fandaniana ny lalàna Marco Civil dia “hanampy amin'ny fidirana amin'ny vanim-potoana vaovao – ka ho voaaro amin'ny alalan'ny zo nomerika ny zon'ireo olom-pirenena isaky ny firenena tsirairay ” :

Like the Web, Marco Civil has been built by its users – the groundbreaking, inclusive and participatory process has resulted in a policy that balances the rights and responsibilities of the individuals, governments and corporations who use the Internet. (…)  ultimately the draft Bill reflects the Internet as it should be: an open, neutral and decentralized network, in which users are the engine for collaboration and innovation.

Tahaka ny Habaka, natsangan'ireo mpampiasa azy ny lalàna Marco Civil – zava-baovao, iarahana sy andraisan'ny tsirairay anjara, avy amin'ny politika izay mampifandanja ny zo sy ny andraikitry ny tsirairay, ny govermanta sy ny orinasa izay mampiasa ny Aterineto. (…) ny dika farany tamin'ity lalàna ity dia taratry ny endriky ny aterineto: tambajotra misokatra, tsy mitanila ary voatsinjara, ka ireo mpiserasera ihany no milina amin'ny fiarahamiasa sy ny zava-baovao.

Mandraisa Anjara Manao Sariitatra Momba Ny Fanaraha-Mason'ny (Fitsikilovan'ny) NSA Ary Mahazoa $1000

Commander Keith Alexander on bridge

“Kaomandy Keith Alexander eo amin'ny tetezana” Sariitatra nozarain'i DonkeyHotey (CC BY-SA 2.0)

Ny The Web We Want [ny web tiantsika] no manasa ny mpanao sariitatra, mpamorona ary artista handray anjara amin'ny The Day We Fight Back [ny andron'ny valin-kafatra] amin'ny 11 Febroary 2014 amin'ny fananganana sariitatra noforoninao momba ny fanaraha-maso an-tserasera sy ny zo hanana fiainana manokana. Ny sariitatra dia tokony hanampy amin'ny fanairana momba ny NSA sy mitaky andraikitra eo amin'ny fanaraha-maso [fitsikilovana] ny sarambambem-bahoaka,  ka mahatonga ny olona te-hitendry (clic) sy hizara.

Ny fara-fandraisana anjara dia amin'ny 8 Febroary.

Loka:

Voalohany: USD $1000
Faharoa: USD $500
Fahatelo: USD $250

Fitsipika:

1. Afa-mandray anjara ny rehetra.
2. Amin'ny fandefasana ny sangan'asa ny mpanoratra (mpamorona) dia manaiky fa io asany io dia eo ambanin'ny lisansa Creative Commons 4.0 Attribution Share Alike. Tsy voafetra ny isan'ny sangan'asa azon'ny mpanoratra ampidirina.
3. Hanome ny anarany na ny solon'anarany ny mpanoratra (mpamorona) rehefa mampiditra ny asany. Hisy antsipirihan'ny mombamomba ny mpanoratra hotadiavina amin'ireo mahazo ny loka – saingy tsy ho aseho ny tena anaran'ny mpanoratra raha izay no tadiavin'ny mpanoratra.
4. Hambara amin'ny 11 Febroary 2014 ireo mpandresy. Ny Komity Mpanatanteraky ny Web We Want no hifantina izay mandresy.
5. Ao anatin'ny 30 andro aorian'ny fanambarana no handefasana ny loka.

Fandraisana anjara:

1. Amin'ny alalan'ny imailaka: alefasao alohan'ny 8 febroary ny sariitatrao – {high definition}, .jpg, .pdf, .svg na .png amin'ny grants@webfoundation.org SUBJECT: Cartoon.
2. Amin'ny alalan'ny Twitter: Alefaso Tweet ny sarinao ao amin'ny @webwewant miaraka amin'ny diezy #webwewant
3. Apetraho ny zom-pirenenao sy ny firenena niavianao raha ekenao fa ampirisihana kokoa.

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay.

Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter i Max Fisher avy ao amin'ny Washington Post, tsy nanampo io valintenin'i Tom Gara, bilaogera ao amin'ny WSJ io :

Manana ny fahavalo faran'izay mahatsikaiky aho, ry akàmako isany. Mahay mamorona ry leròny!

Saingy ny fanalàna azy tena nahasarika betsaka ny saina dia tsy isalasalàna fa ny KarlreMarks an'i Karl Sharro :

Nampanao ity fitsapankevitra iray ity momba izay akanjo mendrika hitafian'ireo vehivavy Amerikana eny imasom-bahoaka ny anjerimanontolo Arabo iray.

Nampiresahana tao amin'ny PRI, nanazava izay nanosika azy izy :

“Toy ny fametrahana ny vehivavy Miozolmana eo ambony maridrefy iray hatramin'ny 6 ilay izy, miainga avy amin'ny hoe mirakotra manontolo mankany amin'ny miboridana tanteraka, izay heveriko fa tena manakaiky ny hadalàna tsotra izao.

Afaka Nibitsika Ihany Pussy Riot Nony Farany!

Raha toa tsy dia hita nihazakazaka loatra hanokatra kaonty Twitter na Facebook ka hanatevina laharana ny kilasin'ireo be resaka ao Rosia i Mikhail Khodorkovsky, ilay nahazo famelan-tsazy [tatitry ny Global Voices report] , ireo mpikambana ao amin'ny Pussy Riot vao avy nahazo famotsoran-keloka vao haingana teo kosa [tatitry ny Global Voices ], Maria Alekhina sy  Nadezhda Tolokonnikova, efa nampanonjanonja ny sehatry ny fitorahana bilaogy kiritika. Mazava ho azy, tsy tahàka ilay filohan'ny Yokos teo aloha, tsy nandany ny folo taona farany tany amponja ry zareo — araka izay anamarihan'i Khodorkovsky azy ao anatin'ity tàfany ho an'ny mpanao gazety ity [ru], samy mbola tsy nisy ny Facebook sy Twitter tamin'ny fotoana nisamborana azy.

Tolokonnikova sy Alekhina tafaray tao Krasnoyarsk.

Nanokatra kaonty Twitter @malehina [ru] i Alekhina, ary efa in-82 sahady no nibitsika. Kanefa, ny ampahany betsaka amin'ireny bitsika ireny no toy ny tahirinà fitantaràna henjana natao kianjoanjo, toy ny hoe :

Fidio hatrany ny làlana sarotra — izay tsy hiatrehanareo fifaninanana!

Tolokonnikova, etsy andaniny, dia niverina nibitsika tamin'ilay kaontiny fahiny @tolokno [ru]. Zavatra samihafa mifangaro voraka ihany koa no bitsihany. Ohatra, ora vitsy lasa izay i Tolokonnikova nanontany tena [ru] ny amin'ny antony andraràn'ny fonja Rosiana ny fitaovana fanalàna volomaso — raha tratra manana izany ianao dia azony alefa mitoka-monina. (Tsy manampahaizana manokana amin'ny fonja Rosiana aho, saingy tahàka ny antony andraràn-dry zareo azy any anaty fiaramanidina ihany no antony.) Amin'io fotoana io, toy ny afangarony ireo fihetseham-po mikasika ny namotsorana azy mialoha tao anatin'izao vanim-potoan'ny fety izao :

Navotsotra aho – fa ankoatra izay mety hankalaza ny Krismasy miaraka amin'ireo Protestanta mpiara-mifonja amiko aho rahampitso.

Fanavaozana: Toa hoe sandoka ilay kaonty Twitter an'i Alekhina ka dia nobahanan'ny Twitter. Fatratra loatra ilay fisandohana ka na i Tolokonnikova izy tenany aza fanina,  nofafàny aza taty aoriana ny bitsika fiarahabàna an'i Alekhina tonga soa ao amin'ilay tolotra

Oktoberfest(Fetin'ny Labiera) Ao Lomé, Togo

Beer Fest in Togo in Lomé, Togo via Togo actualités

Fetin'ny Labiera ao Togo ao Lomé, Togo tamin'ny alàlan'ilay Togo actualités

Ny volana oktobra mazàna dia fankalazana ny fetin'ny Labiera any Alemana. Ary efa miha lasa fomba fanaon'ny mponina ao Togo tsikelikely koa izany. LoveJoyce Amavi, bilaogera iray ao Lomé, renivohitr'i Togo, dia nanameloka ny faharatsian'izany fankalazana izany ao amin'ny tanànany. Nanoratra izy ao anatin'ny “L‘âge de la bière” (taonan'i Labiera) [fr] hoe :

Si en Allemagne, pays inventeur, ou tout au moins, grand producteur de bière, la fête de la bière (die Oktoberfest), est cette rencontre coutumière, conviviale, cordiale, chez nous, l’excès suprême d’alcool, et les débordements nuisibles, sont le lot de chaque année [..] D’imaginer près de 100.000 jeunes, à la fête de la bière, et à peine 300, au forum de l’emploi des jeunes, est une blessure profonde.

Any Alemana, mpamorona azy sady mpamokatra Labiera be indrindra, ny Oktoberfest dia fomba fanao mahazatra hiangonan'ny mponina hifaliana am-pilaminana. Kanefa eto amintsika isan-taona, fotoana ho an'ireo mpimamo hanaovana fihetsika mahaletra ny fahalalahan'ny fahazoana mandray zava-pisotro misy alikaola [..] Mampalahelo be ahy ny fahitàna ireo tanora 100 000 mamonjy ilay fetin'ny Labiera sy ny fahitàna fa eo amin'ny 300 eo ihany ireo tonga mamonjy  ireny foara/fetiben'ny asa ireny.

Fitaovana an-tserasera Hijerena Indray Mitopy Maso Ireo Sehatry Ny Kandidà Eto Madagasikara

Nanangana tranonkalam-pampitahana ny programan'asan'ny kandidà tsirairay [fr-mg] ny tranonkala Malagasy Madatsara. Nosokajiana ho sokajy sivy lehibe hanampiana ny olom-pirenena hanana fanapaha-kevita mandritra ny fifidianana ila sehatra. Hanomboka amin'ny 25 oktobra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena :

Review of all candidates platforms for 2013 elections by Madatsara (with permission)

Fijerena indray mitopy maso ny sehatry ny kandidà rehetra mandritra ny fifidianana 2013 nataon'ny Madatsara (nahazoana alalana)

Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià

Leo Vultus by Murillo Martinsfor the campaign Run4Run4Lions.

Leo Vultus nataon'i Murillo Martins ho an'ny hetsika Run4Run4Lions.

Taorian’ny fampielezana nataon’ny olona betsaka #sobreontem (Mahakasika ny Omaly) manohana ny vondrona [pt] izay nitarika ny hetsi-panoherana tamin’ny jona lasa teo tany São Paulo, ny artista breziliana dia mitambatra ao anatina tolona vaovao. Amin’ity indray mitoraka ity, ny sangan’asan’izy ireo dia manohitra ny famonoana ny liona any Samburu, Kenià.

Ireo teratany ao amin’ny faritra dia mampiasa poizina na fitaovana hafa iadiana amin’ireo liona izay manafika ny osin’izy ireo. Mba anairana ny be sy ny maro momba io olana io, tamin’ny 2010 ny Tetikasa Ewaso Lions dia nikarakara hazakazaka lavitr’ezaka mba “hanafoanana ny ady eo amin’ny olombelona sy ny bibidia amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny vondron’ny mponina eny an-toerana amin’ny fiarovana ny liona.” Ho an’ireo mpikarakara, “ny fampitomboana ny osy maimaipoana” dia anisan’ny vahaolana, ary izay no antony nanolorana osy an’ireo mpandresy tamin’ny hazakazaka nandritra ny hetsika tamin’ny 2010.

Ankehitriny, ny tetikasa dia miomana ho amin’ny fifaninanana manaraka amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika fitadiavam-bola #Run4Run4Lions, izay hanangona vola ho amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka 2014. Ny sangan’asa miavaka (izay efa misy lafo ny sasany) nataon’ireo artista breziliana dia atolotra ho fankasitrahana ireo izay manohana ny tetikasa.

Raha te ahafantatra bebe kokoa momba ny hetsika:

Fanabeazana Shiliana : ‘ Tsy Mila Rafitra Ara-Barotra, Tsy Mila SIMCE’

Foto compartida por Alto al SIMCE en Facebook

Sary zarain'ny Alto al SIMCE ao amin'ny Facebook

Fanentanana nokarakarain'ny vondron'ireo mpifanerasera eny amin'ny fampianarana ambony,  mpampianatra, mpianatra izay te-hanakana ny fepetra ny Rafi-pandrefesana ny kalitaon'ny fanabeazana (SIMCE no fiandohan'ny teny amin'ny fiteny Espaniola ), rafitra iray ho lasira fanaovana tombana ny fari-pahaizan'ireo mpianatra Shiliana ny atsaharo ny SIMCE [es] na (“Alto al SIMCE” amin'ny teny Espaniola).

Lazain'io vondrona io fa mandahatra ireo sekoly ny SIMCE ” mba ho hisarihana ny fandraisan'ireo ray aman-dreny fanapahan-kevitra momba ny hatsarana na ny haratsian'ny sekoly”. Ankoatra izay dia hamafisin'izy ireo ihany koa fa “manana anjara fototra amin'ny fiarovana ny tsenan'ny lafim-pampianarana izay manjaka amin'ny fanabeazana Shiliana hatramin'ny nisian'ny jadona olon-tsotra sy tafika (1973-1990)” io rafitra io.

Hazavain'i Cristián Bellei, mpianatra sady mpikaroka, amin'ity lahatsary  [es] manaraka ity, ny andraikitry ny  SIMCE amin'ny “tsenan'ny fanabeazana” :

Hitanareo ao amin'ny Prezi ny fanolorana iray miaraka amin'ny “ antony 10 hanoherana ny SIMCE” [es].

Azonao arahina ao amin'ny Facebook [es], sy ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #AltoAlSIMCE [es] ny fanentanana.

Midira amin'ny fanentanana Alto al SIMCE. Mila fanabeazana iarahan'ny rehetra miasa sy tsy dia anjakan'ny fifaninanana loatra izahay.

Madagasikara : Lahatasary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara:
sex trafficking madagascar
Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary :

Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy vôla ampiasako izy, za amin'izay tsy miasa, raha tsy miasa iny amin'izay zagny dia hoy zanako “izaho handeha any amin'ny makorely.” Farany za nanjary manginy nefa za regniny

“Mpianatra ny zanako (vavy). Tsy nanam-bola ho azy aho sady tsy an'asa dia nanapak'hevitra ny zanako “andeha hivaro-tena aho.” Tsy nandrara azy izaho reniny fa nangina.”

“Tsy Vitanay Irery io”, Nangataka Ny Firotsahan'i Etazonia An-tsehatra Any Mali Ny Ben'ny Tanàna Iray

Lehilahy  tsy manara-dalàna sy tsy manam-pinoana — izay miafina ao ambadik'i Shariah ary mangataka ny fahaleovantenan'i Tuareg — no midaroka sy manolana vehivavy ary manery ny ankizy kely hanatevin-daharana mba hiady amin'ilay antsoin'izy ireo hoe ady “masina”. Ary ny tena mampalaelo indrindra dia efa lasa mahazatra ny olona izany [..] Tokony ho sakanan'ny filoha Obama tsy ho lasa trano fonenan'ireo mpampihorohoro sy ireo mpivarotra zava-mahadomelina izay miteraka loza ho an'ny tany manontolo ny avaratr'i  Mali. Mirotsaka an-tsehatra namaha olana tsy dia henjana akory i Etazonia. Miantso ny fahatongavan-tsainy aho. Miangavy, ampio izahay hanaisotra ny fianakavianay amin'ny fitaintainana goavam-be iainany.

 

Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan'i Etazonia an-tsehatra any Mali tao anatin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben'ny tanànan'i Goundam, ao avaratr'i Mali. Tsy miombon-kevitra amin'izany i Dr Akory Ag Ikhnane ary manolotra soso-kevitra izy hoe “mety hampitsahatra ireo tsy fitovian-kevitra ireo ny fandraisan'ny miaramila an-tanana ny raharaha.”

Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny