Tantara tamin'ny Tselatra sy Cote d'Ivoire
Ny Anjara Toeran'i Afrika Frankofona Amin'ny Teny Frantsay
Ny tranokala mpilaza vaovao Afrik.com mamoaka lahatsoratra fa ny tenin-jatozo afrikana [argot] dia nahazo vahana ao amin'ny teny frantsay [fr], ary milaza antsika fa tsy dia ironan'ireo mpanao [rap] firy intsony ny Verlan [teny mivadika] : For a long time, there have been certain words, such as [Arabic greetings] “Salam alaykum” or “hamdu’llah”, which everyone...
Fifidianana Côte d'Ivoire : naato ny SMS
Ho fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana tontosaina ny alahady 31 oktobra ao Côte d'Ivoire dia naaton'ny ATCI (autorité des Télécom ivoirienne na sampandraharaha misahana ny fifandraisandavitra Ivoariana) ny fampiasana ny somaiso na SMS araka ny nambaran'i diabymohamed ao amin'ny Twitter, fanapahan-kevitra tohanan'ny sasany : “RT @2romeo: #Abidjan fanakatonana ny...
Cote d'Ivoire: Herisetra manakaiky fifidianana
Mpikaroka momba an'i Afrika Andrefana ao amin'ny Human Rights Watch (fanaraha-maso ny zon'olombelona) Corinne Dufka no niteny:” Raha mbola misaritaka amin'ny fikarakarana fifidianana ny mpanao politika sy ny diplaomaty vahiny, ny mponina any Côte d'Ivoire andrefana kosa levon'ny tahotra sao voaendaka na voasintona avy ao anaty fiara fitaterana dia misy...
Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety
Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.
Cote d'Ivoire : Fihaonan'ny mpitoraka blaogy
Mikasa hikarakara “Blogcamps” ao Abidjan [Fr] i Théophile Kouamouo, mba hihaonan'ireo mpitoraka blaogy any an-toerana, hifampizarany ny traikefany sy hampianarana izay liana amin'ny fitorahana blaogy.
Côte d'Ivoire: Momba ny kolikoly
Noresahin'i Théophile Kouamouo [Fr] ny hetsika manokana iadiana amin'ny kolikoly baikon'ny filoha Laurent Gbagbo tany Cote d'Ivoire. Hoy ny sorany: “Hotsaraina ny Oloben'ny orinasan-kafe sy Cacao. Fa tsy hiresaka betsaka momba ny fahadiovan'ireo mitsara azy isika. Marefo tahaka ny mpanao politika Ivoariana ihany ny Fitsarana[…] Mila fiovan'ny toe-tsaina marina tokoa...