Tantara tamin'ny sy

Taiwan: Filoha very saina?

  06 Desambra 2008

Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa....

Singapaora: Voarara ny ronono shinoa

  21 Septambra 2008

Nahitana melamina , ilay fangaro namparary sy nahafaty zaza tany Shina, ihany koa ilay marika ronono holandey any Singapaora. Voarara any Singapaora moa ankehitriny ny ronono avy any Shina. Nosoratan'ny mpamaham-bolongana iray : “Ho porofon'ny fifandraisan'izao tontolo izao sy ny fiafaran'ny sakafo amin'izao fotoana izao, dia efa niitatra tafavoaka an'i Shina...

Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”

  21 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra...

Iran: Revolisionan'ny fahamahanam-bolongana

  14 Septambra 2008

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

Shina : Fanovana ny toetr'andro

  26 Aogositra 2008

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

Shina: Ankizivavy tonga lafatra tamin'ny fanokafana ny lalao olaimpika?

  12 Aogositra 2008

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana...

Taiwan: Shina Taipei!

  07 Aogositra 2008

Michael Turton avy ao amin'ny The View from Taiwan (fijery avy aty Taiwan) no namosabosakevitra tanaty adihevitra miresaka momba an'i Taiwan mandritra ny lalao olaimpika any Beijing. Navoitran'ny mpamaham-bolongana ary fa raha efa lefy ny  adihevitra momba ny anarana ho entina, ny asafidianana amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny hoe...