Tantara tamin'ny Tselatra sy Azia Afovoany sy Kaokazy
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Maherifo tsy fantatry ny besinimaro ao Kyrgyzstan mahazo fankasitrahana amin'ny alalan'ny zavakanto an-dalambe
Ny tetikasa Kadam no ohatra amin'ny fandraisana andraikitra ataon'ny tsirairay liana amin'ny fitondrana fanovana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fahaiza-mamorona.
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan mampihetsi-po sy mampiseho fifamatorana misy eo amin'ny reny iray sy ny zanany
Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika Ruslan Akun, ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Mampanahy ireo miozolomana ny fironana mamely ny fivavahana vao haingana nataon'i Ozbekistan
Tsy vao sambany ny miozolomana ao Ozbekistan, izay mandrafitra ny 94 isanjaton'ny mponina, no miatrika fanenjehana noho ny finoany.
Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan
Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboarimboarina sy nofaritan’ny governemantan'i Karimov tao Ozbekistan hoe “ekstremista”.
Ny zanakalahin'ny filohan'i Tajikistan no nampahomby ny ekipam-pirenena tamin'ny fiadiana ny amboara Aziatika
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'izay rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe "Orzu-2026" (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena.
The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan
Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nivoahany raha miandry fitsarana any Baku ny ekipan'ny Abzas Media izay nanomboka ny fanadihadiana.