Tantara tamin'ny Tselatra sy Azerbaijan
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan
Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nivoahany raha miandry fitsarana any Baku ny ekipan'ny Abzas Media izay nanomboka ny fanadihadiana.
Anaty rindrina efatra: Feom-pandriampahalemana ao Azerbaijan voafafa
Loa-bava kely monja dia efa izakàna sandany mihoa-pampana, eo amin'ny fahafoizan-tena manokana sy eo amin'ny tsindry tsy mitsahatra atrehan-dry zareo.
Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana
Misy tantara mampiahiahy ilay Hotely InterContinental ao Baku. Rehefa natao lavanty ny tany manodidina an'ilay hotely dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny adiresy sy ny haben'ilay tany.
Nivoaka ny sisintanin'i Torkia ny fanahian'i Filoha Erdoğan tafahoatra momba ny fiterahana
Milaza ireo mpahay toekarena mahaleo tena fa saika tsy mahavelona zaza dimy ny toekarena misy sy ny karama ao Azerbaijan.
Ary avy eo tsy nisy — ny fomba nanjavonan'ireo antoko politika ao Azerbaijan
Niady ela tao Azerbaijan ny antoko politika mpanohitra, niatrika fisamborana, fanagadrana, olana ara-bola, na fanenjehana ny mpikambana ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny sasany.
‘Teto i Telman': tantaram-piainan'ilay lehilahy Azerbaijani nitady fiainana tsaratsara kokoa
Tamin'ny faha-50 taonany, nandany ny androny nandehandeha teny an-dalamben'i Bakou nitety ny daba-pako rehetra hitany i Telman, nanangona zavatra azo averina ahodina, sakafo, ary nanonofy fiainana tsaratsara kokoa.
Nosamborin'ny polisy ao Azerbaijan ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny andro nitsarana ilay mpikatroka
Tamin’ny 23 Desambra, nikasa hanao fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Hajiyev ny vondrona mpanohana rehefa namoaka didy ny fitsarana ambony ao Baku fa hitazona an'i Hajiyev ao am-ponja.
Mpikatroka ara-politika malaza nosamborin'i Azerbaijan alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona
Miatrika sazy telo taona an-tranomaizina ilay mpikatroka malaza Bakhtiyar Hajiyev raha hita fa meloka amin'ny fiampangana roa samy hafa — asam-boto mpisetrasetra sy fanamavoana ny fitsarana. Milaza ireo mpikatroka fa misy ambadika politika ny fisamborana.
Niakatra ambony indray ny fifanenjanan'i Azerbaijàna sy Iràna
Nitabataba sy nifanakalo kabary feno fankahalana i Azerbaijana sy Iràna nandritra ireo herinandro nisian'ny fifanenjanana.