Tantara tamin'ny Tselatra sy Armenia
Niakatra ambony indray ny fifanenjanan'i Azerbaijàna sy Iràna
Nitabataba sy nifanakalo kabary feno fankahalana i Azerbaijana sy Iràna nandritra ireo herinandro nisian'ny fifanenjanana.
Pelaka mpisipa nanomo tena nahabe resaka tao Armenia
Niteraka resabe sy fanamelohana ny fankahalana pelaka mieli-patrana ao Armenia ny famonoan-tena nataona pelaka mpisipa tamin'ny 20 oktobra.
Azerbaijan: Notanan'ny polisy ilay mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana
Araka ny tatitry ny polisy, nosamborina teny an-kianja i Mammadli noho ny fanoherana ny polisy, izay anisan’ny fiampangana mahazatra amin’ny fepetra famaizana any Azerbaijan ampiasaina hikendrena ireo mpikatroka ara-politika sy sivily.
Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto
Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.
Nagorno Karabakh: Momba ny mariazy miara-mizotra
Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola...
Arimenia: fifandraisana amin'i Torikia, ahoana indray ny manaraka?
Taorian'ny fitsidihana manantantara nataon'ny filoha Tiorika Abdullah Gul tany Yerevan tamin'ny faran'ny herinandro teo hanatrika ny lalao fifanintsanana ho amin'ny amboara erantany nifanaovan'i Arimenia sy Torikiateo akaikin'ny filoha tompontany ; Serge Sargsyan, Security in the Caucasus no manadihady ny dingana manaraka eo amin'ireto firenena roa mifanakaiky nefa mifampihafahafa ireto.
Arimenia: Mpamaham-bolongana nanatrika valandresaky ny Filoham-pirenena
Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.