Tantara tamin'ny sy

Angola: Tononkalo ho amin'ny Blog Action Day

  23 Oktobra 2008

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

Angola: Indrisy ry tsenan'i Kinaxixe ao Luanda

  31 Jolay 2008

Malahelo dia malahelo tokoa i Anabela Quelhas [pt] eo ampanatrehana ny fandravana ny tsenan'i Kinaxixe ao Luanda. Tanisainy ny antony folo anamarihany fa fanorenana manana ny maritrano mampiavaka ny taona 1950 sy manandanja ho an'ny mponina io fanorenana io, ary nofeheziny fa : “Mbola maivandanja eo anatrehan'ny vola sy ny varotra...

Angola: Fahanginana tsy azo ekena

  14 Jolay 2008

Mpifindra monina Breziliana, Menina de Angola [Sipa avy eto Angola, pt] no nilazalaza ny fanolanana roa samihafa mahazo ny sipa Breziliana any Luanda ary mitsikera ny fahanginana manjaka amin'ity raharaha ity, izay raha inoana ny lazainy tsy nampihetsi-bolomaso akory na ny polisy na ny fampahalalam-baovao eny ny fiaraha-monina mihitsy aza: “Efa...

Angola: Fifidianana 2008

  06 Avrily 2008

Antsoina hifidy ny solombavambahoakany ao amin'ny antenimieram-pirenena ny Angoley amin'ity taona ity, dia ny volana septembra 2008 izany. 17 taona izay no lasaa hatramin'ny nifidianan'ny Angoley farany. Manana ny lisitra manakaiky ny 100 mety hifaninana amin'io fifidianana io i Feliciano J.R.

Angola: nomena ny satro-boninahitra ny oliravin'ny vanja milevina

  06 Avrily 2008

Nomena ny satro-boninahitra ny oliravina (tratran'ny) vanja milevina : Augusta Urica no nandresy tamin'ny fifaninanana hatsara-tarehy sy bika amin'ireo tovovavy niharan'ny fipoahan'ny vanja milevina notanterahina tao Angola. Natokana ho an'ireo sisa niangana tamin'ny fipoahana vanja milevina moa ity fifaninanana ity. 18 no isan'ny mpifaninana tamin'ity hetsika nampisy adihevitra nokarakaraina hampitandremana...

Angola : fankalazana ny tsingerintaonan’ny fandriampahalemana

  05 Avrily 2008

Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Fandriampahalemana’, no ankalazan’i PValente [pt] ny tsingerintaona niverenan’ny fandriampahalemana tamin’ny 04/04/2002 tao Angola taorian’ny fitsaharan’ny ady an-trano, ary dia navoakany koa ny sarin’ny T-shirt ‘ahatsiarovana ny fahaenintaonan’ny andron’ny fandriampahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tao Angola.’

Angola: Mbola azo atao tsara ny mitolona

  29 Marsa 2008

“Nikarajia (ni-chat) nandritra ora roa tamin'Atoa Anthony Alberto Neto, filohan'ny Antoko Demokratika Angoley (PDA) aho. Amin'izao fotoana mampitombo isa ny Angoley any ampielezana (anatin'izany aho) manontany tena hoe mbola tokony hotohizana ve ny ady, hoe mbola azo atao ve ny mino (ny fandrosoan’) i Angola, dia hitako fa ny lehilahy...