Tantara tamin'ny sy

Afghanistan: Namako omaly, fahavaloko anio

  26 Jolay 2008

The Rumi no mitatitra fa nesorin'ny Filoha Karzai tamin'ny toerany ny Minisitry ny Fitsarana tamin'ny 16 jolay rehefa nilaza ny fikasany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny taona ho avy io.

Armenia: Angom-baovao

  18 Mey 2008

Manangona ny vaovao nandritra ny herinandro i Ny Mpandinika Armeniana (The Armenian Observer) ary milazalaza ny heviny ihany koa. Efa nampoizina ihany ny lohahevitra nibahana tamin'ny fampahalalam-baovao fa ny toe-draharaha taorian'ny fifidianana, ny tena nifantohan-dresaka tamin'ny vaovao tao an-toerana moa dia nirona tamin'ny adin'izy mirahalahy nitondra voalohany ny firenena fa...

Afghanistan: ny tsimok'aretin'i Rambo

  17 Janoary 2008

Abu Muqawama no nitati-baovao momba ny“the Rambo Syndrom” na ny tsimok'aretin'i Rambô.Nosoratan'ny mpamaham-bolongana ary fa ny gazety New York Times no namoaka lahatsoratra mitanisa ny herisetra maro ataon'ireo menavazan'ny ady tany Iràka sy Afghanistan.

Afghanistan: Mpitarika Taliban noafahana sy nihavanana

  15 Janoary 2008

Mohammad Fahim Khairy no manoratra fa maro tamin'ny mpitarika faratampon'ny Taliban noafahana avy any am-ponja hatramin'ny taona 2002 ho eo ambany fiarovan'ny governemanta Afghan no nandeha nankany amin'ny Al Qaeda na hita any amin'ny sehatra maro ao anatin'ny governemanta ankehitriny.