2008-07-01
Rosìa : “Detskiy Mir” tranombarotra kilalao any Môskoa
yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.
2008-06-30
Vovonàna GV : Tena lafatra ny andro voalohany !
Raha izay fahitanay azy dia tena lafatra ny andro voalohan'ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices izay tanterahina any Bodàpestà, any Hôngria (mazava ho azy fa tsy arakay maso daholo izay antsipirihan'ny fikarakarana rehetra). Nanomboka tamin'ny teny fampidirana avy amin'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon izay namorona ny Global Voices, ny andro voalohany, izay nisaorany ...
Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany
Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.
2008-06-29
Shhh… Nisokatra ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices Citizen Media
Lithoanìa : Mampiasa fitaovana harifomba Segway ny Polisy
navalny izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ahitana Polisy mampiasa fitaovana harifomba ifamoivoizana Segway any Palanga, izay tanana amoron-dranomasina Baltika, any Lithoanìa (RUS).
2008-06-27
Angôla : Tatitra an-tsary
JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla :
A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira ...
2008-06-26
Koety : Notafiana ny “Hard Candy”-n'i Madonna
Moey no mitatitra fa notafian'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao an-keriny ny sarin'i Madonna amin'ny raki-kira vaovao “Hard Candy” any Koety :
Madonna’s album is being raped by Kuwaiti MOI [Ministry of Information], they basically forced leggings on her and took all the pictures off her CD booklet, it is a ...
2008-06-25
Shina : Tondra-drano any amin'ny tananan'i Guangzhou
Tianya forum no manapariaka sary vitsivitsy ahitana ny tondra-drano niseho vao tsy ela tany amin'ny tananan'i Guangzhou.
Rosìa : “Revôlision'ny kitra”
Tena alin-dìa [bibidìa] sady tsy natoriana mihitsy tany Rosìa, taorian'ny fandresen'ny ekipa nasionaly ny Hôlandey 3-1 sy ny fahazahoany hiatrika ny lalao manasa-dàlana. Nahatratra 50'000 ireo olona nidina teny an-dalamben'i Môskoa, nankalaza ity fandresena izay tsy nantenaina intsony - ary fanehoam-piravoravoana toy izany no saiky hita niredareda eran'ireo tanana Rosìana ...





Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany
- Y sin embargo, algunos todavía creemos que un mejor país es posible
Tohiny »