Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2015
Mitety An'i Brighton : Ireo Adiresy Tsara Avy Amin'ny Global Voices
Ireo toerana sy adiresy lalàin'i Gwenaelle, mpandikateny ato amin'ny Global Voices, monina ao Brighton any Angletera.
Mamadibadika ny tantaran'i Madagasikara amin'ny alalan'ny sary fahiny
Manahirana matetika ny fahazoana ny sarin-tantaran'ireo firenena voazanaka taty Afrika noho ny famerana fatratra ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra ara-tantara. Nikaroka ny hamahana izany olana izany i Helihanta RAJAONARISON sy i Tsiry Fy-Tia SOLOFOMIHANTA avy eto Madagasikara ka nametraka ny tantaran'i Madagasikara hahafinaritra kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka tamin'ny fananganana ny...
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Fomba Iftar nentindrazana tsy lany hamamiana ao Bangladesh an-tsary 12
Lasa latabatra misokatra ny araben'ny lalamben'i Bangladesh mandritra ny iftar, sakafo rehefa mody masoandro mandritra ny volana fifadian-kanina islamika izay efa vita tanteraka ny tamin'ity taona ity.
Tetikasan-tSary Mandrakitra Ny Fiainana Any Nepal Taorian'ny Horohorontany
Ny tetikasa fanangonana sary 'dizitaly' ao amin'ny Instagram sy ny Facebook no ahafahana mahalala ireo karazanà fiainana andavanandro any Nepal taorian'ireo horohorontany nandrava farany teo.
Tofoka Amin'Ilay ‘Fomba Fisainana: Isika VS Izy Ireo'— Samy Trinidadiana Daholo Isika
Lily Kwok, nandefa ny sarin'ny tenany tamin'ny Facebook, mitazona takelaka mivaky toy izao, "Tsy Hiverina any Shina aho'. Trinidadiana aho", taorian'ny karazanà fanavakavahana tsy tia Shinoa.
Fikarohana Nahomby Nataon'ireo Mpianatra Siantifika Burkinabe sy Borondey Iadiana Amin'ny Tazomoka
Nitondra anjara biriky goavana amin'ny fampihenana ny iray amin'ireo aretina mahafaty indrindra ao Afrika ireo mpianatra roa avy ao Afrika: Moctar Dembele sy Gerard Niyondiko.
Fitsidihana Ny Lasa Miaraka Amin'ireo Sarin'i Kambodza Tamin'ny Voalohandohan'ny Taonjato faha-20
Nitady ilay famakiam-boky anaty aterineto tao amin'ny Tahiry Frantsay izahay ary nahita ireo sary tsy fahita firy mikasika an'i Kambodza tanatin'ireo taona 1920 sy 1930.
Mpanao Gazety Voasambotra Noho Ny Fitantarana Ny Fipoahana Baomba Tao Ivelan'ny Foibe Italiana Ao Kairo
Lehilahy iray no namoy ny ainy ary mpanoratra gazety maromaro no voasambotra taorian'ny fipoahana baomba fiara tao ivelan'ny foibe Italiana ao afovoan'i Kairo.
Qatar: Tonian-Dahatsoratra Saika Nidiran'Angano Noho Ny Resaka “Kama Sutra”
Inona no ataon'ny tonian-dahatsoratra iray ao anatin'ny firenena mpifikitra amin'ny nentin-drazana any amin'ny Helodrano Arabo rehefa misy sary miresaka "kama Sutra" nivoaka tao amin'ny gazetiny? Ary ny zava-dehbe indrindra, ahoana no fandraisan'ny vahoana izany?