Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Aogositra, 2013
SARIPIKA: Mametraka an-tSarintany ny Zavakanto An-Tanandehibe ao Buenos Aires sy ny Ankoatra Azy
Misy vondrona Argentines iray manasa anao hizara sy hametraka an-tsarintany ny saripikan'ny graffiti hita ao amin'ny tanànanao.
Singapore : Loha Sola Ho Fanairana Hanohanana Ireo Ankizy Mararin'ny Homamiadana
Nahasintona olona maherin'ny 6.000 ilay hetsika fanasolàna loha izay mikendry ny hanangonam-bola sy fampiroboroboana ny fanentanana momba ny homamiadana mpahazo ny ankizy.
Ejipta : “Tena naheno bala nandalo tambonin'ny soroko aho”
Tantaran'ilay mpanao gazety sady mpaka sary Mosa'ab Elshamy izay saiky voatifitra sy nisy nangalatra ny fitaovam-piasany nandritra ny zava- nitranga tao Rabaa Al Adawiya tamin'ny androny 14 aogositra. Fifandonan'andian'olona maro sy ireo "mpitandro ny filaminana hampiasa ny fitaovam-piadiany tahaka ny eny an'ady. Nitantara ny zava-nanjò azy izy
SARY: Tatitra momban'ny Tondra-drano Avo Any Amin'ny Renivohitr'i Filipina
Nikapoka an'i Filipina ilay rivomahery tropikaly Trami ary niteraka tondra-drano goavana tany Manila sy ireo faritany manodidina. Olona maherin'ny dimy hetsy no niharan'io rivomahery io.
‘Alarobia Mena’ Hetsi-panoherana ny Filoha Beninoà: ‘Aza Kitihana Ny Lalàpanorenako!’
Mahazo vahana ao Benin ny Alarobia Mena. Manazava ny anton'izany i Sinatou Saka.
Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara
Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena...
Manome Voninahitra An'i Maria Magdalena Amin'ny Talenta Poerto Rikana Ireo Mpanakanto Matihanina
Hampiantrano "fankalazana fampanantenana", fety ara-zavakanto sy mozika ireo mpanakanto Tanya Torres sy Raquel Z Rivera ho fanomezam-boninahitra ny olo-masina Maria Magdalena ao New York.
Mitady Ainga Vaovao Amin'ny Alalan'ny Fisafidianana Filoha Amin'ny Roa Farany Tavela i Mali
Nitrangana krizy niainga avy amin'ny fanonganam-panjakana i Mali herintaona sy tapany lasa izay. Efa amin'ny dingan'ny fifidianana kosa ry zareo ankehitriny ary miditra amin'ny fiodinana faharoa. Manao ahoana moa ny hevitr'ireo any Mali sy ny Maliana manoloana ny toe-javatra atrehin-dry zareo amin'izao fotoana izao? Rakotomalala no nandrafitra ny lahatsoratra.