Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2013
Kairo: “Tsy Nitsahatra Mihitsy Ny Feon'ny Poa-basy”
Tao Rabaa Al Adawiya ilay bilaogera Ejipsiana Mosa'ab Elshamy izay nahitana olona 100 maty voatifitra sy naharatrana olona 1500 nandritra ny fifandonana nitranga tao amin'ny sit-in nataon'ny mpanohana an'i Morsi tao Kairo. Mizara ny hitany ao amin'ny Twitter izy.
“Nankaiza i Amarildo ?” Fanentanana Manohitra Ny Herisetran'ny Polisy Ao Amin'ireo Favela
Tamin'izy nalain'ny polisy tao amin'ny favela, Rocinha ao Rio de Janeiro no nahitana an'i Amarildo farany. Tsy manaiky moramora an'izany ny fokonolona tamin'ny alalan'ny fanaovana fihetsiketsehana.
Mijoro Hiaro Ilay Hazo Oak 600 Taona i Serbia
Niteraka fikorontanam-bahoaka ilay drafitr'asa fanafoanana ny saha maitson'i Gezi any Istambul herinandro vitsy lasa izay, efa niatrika ady mitovy amin'izany ny vahoaka Serba. Nisy tetikasa fanamboarana làlambe natao hamonoana ilay hazo oak (chêne) 600 taona tao afovoan'i Serbia, fa taorian'ny andro maro nanaovana hetsika fanoherana dia nilefitra ihany ny governemanta ka nanova ny làlan'ilay tetikasa fanorenana mba hamonjena ilay oak.
Loza Mandindona Ny Amazona Ilay Volavolan-dalàna Vaovao Momba Ny Voly Fary Ao Brezila
Nanokatra varavarana voalohany ho an'ny fambolena fary manodidina ny faritry ny alan'i Amazona sy ny faritra mando manodidina ary ny faritra rakotra bozaka avo i Brezila, ka nahatonga ny tebitebin'ireo mpiaro ny tontolo iainana.
Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay
"Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika." Ao amin'ity lahatsoratra ity isika no hijery ny tetikasam-panamarinam-baovao amin'ny media miteny frantsay.
Vavahady Ampiasan'i Etazonia Hitsikilovana Ny Firenena Amerika Latina i Poerto Riko
Inona no ampamoaka nolazain'i Edward Snowden mikasika ny andraikitry Poerto Riko amin'ny programam-pitsikilovan'ny NSA? Manambara antsika momba izany ny mpanoratra Angel Carrión.
Radio Vieques: Hitsaboana Ny Nosy Poerto Rikana Taorian'ny Fizàrana Daroka Baomba
Nijaly nandritra ny 60 taona mahery ny nosy Vieques nohon'ny fampiasana azy ho tobi-tafika an-dranomasina Amerikana sy faritra nanaovana fanazarana fidarohana baomba
Mpilatsaka An-tsitrapo Espaniola Roa Navotsotra Rehefa Notànana Nandritra Ny 21 Volana
Niasa tamin'ny fananganana hopitaly ao Dadaab, tobim-pialokalofana midadasika indrindra manerantany ao Kenya i Montserrat Serra sy Blanca. Fantatra fa nalaina tao Somalia ireto mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ireto rehefa avy nisy naka an-keriny
Mpanakanto Iray Avy Ao Pôrtô Rikô Mizara Ny Fitiavany Taratasy
Mampiasa ny tambajotra sosialy ny mpanakanto iray ao Pôrto Rikô, Aydasara Ortega, ho sehatra iray hanaparitahany ny teny momba ny "Toque de Queda," hetsika ara-kanto izay mifantoka amin'ny fikarakarana atrikasa momba ny fanamboarana taratasy vita tànana.
Nanangana ny Sendikàny Voalohany Ny Mpanarato Mpifindra Monina Ao Taiwan
Nitsangana ny sendikan'ny mpiasa mpifindra monina voalohany tao Taiwan tamin'ny 25 Mey 2013 ho fanatsarana ny tontolon'ny asan'ireo mpanjono vahiny