Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jona, 2013
Miara-manoratra Hira i Julian Assange, Calle 13, Sy Ireo Mpampiasa Twitter
René Pérez, fantatra hoe "Residente" avy amin'ny tarika Calle 13 — tarika iray izay manohitra ny karazana ankolafy —, sy Julian Assange, mpamorona ny Wikileaks, dia nanangona ireo hevitra sy sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter mba hanoratra hira miaraka izay hampidirina ao amin'ny rakikiran'ny Calle 13 manaraka
Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty
Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.
Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brezila
Tovolahy iray no maty voadonan'ny fiara tao Ribeirao Preto ary ampolony maro no naratra tamin'ilay fifandonana tamin'ny polisy tao Brezila, Rio de Janeiro, ary tao Salvador satria efa maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nidina an-dalàmbe teny amin'ireo tanàn-dehibe sy kely rehetra manerana an'i Brezila, io no hetsi-panoherana lehibe indrindra hita teo amin'ny firenena tao anatin'ny roampolo taona.
Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina
Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.
Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka
Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity dia ao anatin'ny fanadihadiana manokana momba ireo vondron'olona mpanery ny manampahefana sy ny orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana ao Brezila #IndústriaBrasileiraDeArmas. Hisy...
Mitokona Mitaky Fisondrotan-Karama Ny Oniversiten'I Venezoela
Namoaka filàzana ny Oniversite ao Venezoela fa manao fitokonana tsy mitsahatra ho fitakiana fampiakaran-karama. Araka izany, eo an-dalàm-panoratana azy ny tohin'ilay fifandirana ela, noho ilay tsy fitovian-kevitra nisy teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy ny Oniversitem-panjakana taty anatin'ny volana vitsy.
Mampiely Ny Fahazoana Miditra Aterineto i Kiobà Amin'ny Alalan'ny Fametrahana Ivon-tSerasera
Nanokatra efitrano hidirana aterineto 118 i Kiobà, ho anisan'ny ezaka hampitomboana ivon-tserasera ao amin'ny nosy. Azo ampiasaina any amin'ny biraom-barotry ny orinasam-pifandraisandavi-pirenena (ETECSA) rehetra manana ny iray amin'ireny efitrano ireny ny tolotra Nauta.
Fitaovana Breziliana Hamoretana Ny Mpanao Fihetsiketsehana Any Amin'ny Firenena Arabo
Brezila sy Etazonia no tena mpanondrana fitaovam-piadiana mankany Torkia. Ao anaty lisitry firenena arabo ny mpanjifan'ny orinasa breziliana eo amin'ny fampitaovana ifehezana ny rotaka i Emirà Arabo Mitambatra. Milaza ny orinasa fa tsy nivarotra tamin'i Bahraïn.
Nampitomboin'ny Kiobà Ny Fahafahana Midira Aterineto Avy Amin'ireo Ivontoerana Natao Ho An'ny Daholobe
Nanokatra Ivontoerana 118 hahafahana mampitombo ny fidirana Aterineto ao amin'ny Nosiny i Kioba. Antsoina hoe Nauta, ilay tolotra dia azo anontaniana eny amin'izay solotena ara-barotry ny Sampan-draharaha Kiobàna misahana ny serasera (ETECSA) izay miara-miasa amin'ilay fandaharanasa.
‘V Ho An'i Thailandy’ Mpanao Fihetsiketsehana Miantso Ny Fanonganana ny Praiminisitra Thailandey
Ilay vondrona miantso tena hoe ‘V ho an'i Thailandy’ no efa nanomana famoriam-bahoaka ao an-drenivohitr'i Thailandy tamin'ity volana ity mitaky ny fialan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra.