· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Mey, 2013

Yemen: Tovolahy roa Maty Noho Ny Fisongonana Ireo Fiara Mpanotrona Ny Mariazin'i Sheikh

Tanora Yemenita roa no maty ny herinandro lasa teo vokatry ny fisongonana ny filaharana fiara mpanotrona ny mariazin'i Sheikh (filohanà foko) tany Sanaa renivohitr'i Yemen. Nitondra ny fiarany i Khalid Al-Khateeb sy ny namany Hassan Aman raha nisongona ny fiara mpanotrona ny mariazy ary maty vokatr'io fisongonana io. An'i Sheikh Ali Abd Rabo Al-Awadhi ny fiara mpanotrona mariazy, mpikambana iray ao amin'ny antoko Islah any Yemen sy mpikambana ao amin'ny Fihaonambem-pirenena. Nahatonga adihevitra teo amin'ny mpisehatra aterineto maro sy ireo mahery fò ny fahafatesan'izy ireo.

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

  21 Mey 2013

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....

Palestina: Mihinana KFC (Kentucky Fried Chicken) Koa Izao Ny Ao Gaza

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken (akoho voaendy) nafàrany - taorian'ny ora fito niandrasany. Ny tantarany dia manamarina tatitra iray tao amin'ny New York Times izay milaza fa avy any Al Arish, any Ejipta, no aterina ny KFC ho an'ny mponin'i Gaza, toerana izay anaovana azy ireny varomaizina mandalo tonelina miafina. Hatreo dia tsy nitohy ny fanaterana any an-tokantrano, saingy farafaha-ratsiny, mba afaka nihinana ny KFC-ny i Hamra ary nibitsika sy nandefa tamin'ny Istagram ny zava-niainany.

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny amin’ny antony tokony haha-zo fa tsy tombontsoa ny fampianarana.

Andriana Espaniola, Mampifandray An'i Korea Avaratra Amin'Izao Tontolo Izao

  17 Mey 2013

Taranak'Andriana ao amin'ny lohasaha Aran, avaratr'i Catalonia, Andriana Argelejo sy olona ambony Rosalmonte i Alejandro Cao de Benós, teraka tao Tarragona, Espaina tamin'ny taona 1974. Ankoatra izany rohim-pirazanana tsy mahazatra izany, mety tsy ho fanta-daza mihitsy ny anaran'ity Catalàna 39 taona ity raha tsy izy mpitondra teny vahiny manana ny...

Niala Tsiny Tao Amin'ny Facebook Noho Ny Ady An-trano Tamin'ny Taona 1994 ny Jeneraly Yemenita

Mananganan-tsaina ny firenena sady miventsoventso teny filamatry ny fahaleovantena, an'arivony ireo tonga tao an-tanàna renivohitry Aden taloha sy tanàna hafa ao Atsimon'i Yemen tamin'ny 27 Aprily 2013, tanàna izay efa zatra mankalaza ny andro nanambaran'ny Tavaratra ady tamin'ny vahoaka tatsimo sy “nibodoina” ny taniny tamin'ny taona 1994, araka ny famaritan'ireo...