· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Avrily, 2013

“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.

Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

  21 Avrily 2013

Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

Brezila: Fifandirana amin'i FIFA Momba ny Varotra Acarajé Mandritra ny Mondialy

  21 Avrily 2013

(Teny Portiogey avokoa ny rohy) Niteraka fahatezerana ho an'ny Breziliana ny fanapaha-kevitry ny FIFA handrara ny fivarotana acarajés ao amin'ny kianjan'i Fonte Nova ao Salvador de Bahia mandritra ny mondialy 2014. Notsikerain'ny bilaogera sy ny mpanao gazety fatratra izany fanohintohinana ny sariohatry ny kolontsaina breziliana izany ary nampidina an-dalambe ireo...

Tanora Haisiana-Dominikana Mitaky Hanan-Jò Ara-Dalàna

  19 Avrily 2013

Tanora Dominikana lahy sy vavy manana fiaviana Haisiana manodidina ny 50 eo ho eo no nanomana tao amin'ny Movimiento Reconoci.do [es], diabe niainga avy tao amin'ny Katedralin'i San Pedro de Macorís Cathedral mankany amin'ny Lapa Nasionaly tao Santo Domingo mitaky ny hamerenana ny antonta-taratasiny, sy ny zom-pirenena maha-Dominikana, izay nesorina tsotra izao tamin'ny...

Ny Afovoany Atsinanana Hita Avy Eny Amin'ny Tsy Taka-maso: Sary Zarain'i Cmdr Hadfield Ao Amin'ny Twitter

Ilay "astronaute" Kanadiana Chris Hadfield, izay eny amin'ny Toby Iraisampirenena eny amin'ny Habakabaka eny amin'izao fotoana, dia mizara sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'izao tontolo izao ao amin'ny Twitter. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo saripika nozarainy mikasika ny faritra Afovoany Atsinanana avy eny amin'ny tsy taka-maso eny.

Fampisehoana an'Habakabaka Tao Amin'ny Repoblika Dominikana Niafara Tamin'ny Voina

  18 Avrily 2013

Nandritra ny andro faharoa sady farany tamin'ny Fampisehoana an'Habakabaka Karaibana, minitra vitsy monja nanombohany, dia nisy voromby Pillán T-35, manana ny laharana FAD 1807, vita avy any Chile ary an'ny Tafika an'Habakabaka Dominikana (FAD), nentin'ny mpanamory lietnà Rafael Eduardo Sánchez Astacio sy ny mpanamory lietnà bokotra iray Carlos Manuel Guerrero Guerrero,...

#Yemen: Vodaroky Ny Drôna Amerikana i Dhamar

Taorian'ny telo volana mba niatoan'ny fanafihana drôna (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoana avy lavitra) Amerikana tao Yemen, dia namono olona dimy noahiahiana ho Qaeda ny drôna halina 16 Aprily 2013. Halina, i Farae Al-muslimi, Yemenita mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo, avy ao amin'ny tanànan'i Wessab, any amin'ny faritanin'i Dhamar, no namoaka voalohany ny vaovao mikasika ilay fanafihana drôna Amerikana tao amin'ny Twitter.

Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

  18 Avrily 2013

Rehefa nakisaka ho any Mutum Parana Vaovao – tanàna iray naorin'ny orinasa Energia Sustentável ho toeram-ponenan'ireo enjeniera sy mpiasany – ireo mponina teny amoron-drano izay nakisaka niala tamin'ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo mba hahafahana manone alàlana ny toby famokarana herinaratra ao Madeira River hanafotra rano ilay faritra dia namantana “tanàna matoatoa”, toerana iray izay toa sarotra ho azy ireo ny hiaina ao.