· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Febroary, 2013

Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”

  26 Febroary 2013

Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."

Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

  25 Febroary 2013

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) ny fikambanana ara-panjakana ao Eoropa, Amerika Latina sy ao Etazonia izy hatramin'ny tapaky ny...

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.

Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá

  23 Febroary 2013

Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.

Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”

  21 Febroary 2013

Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali. Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka Raha ny marina, dia lasa sariohatra nanamarika ny fiatombohan'ny bemidin'ny miaramila frantsay tao Mali ity sarina miaramila frantsay manao sarondoha miendrika karandoha ity. Fa...

Vitan'ny Artista Bangladeshi Sariitatra Ny Hetsi-Panoherana ao Shahbag

  18 Febroary 2013

Mandroandroatra hatraty amin'ny andro faha-12 ny hetsi-panoherana ao amin'ny kianja Shahbag ao an-drenivohitr'i Bangladesh, izay itakian'ny olona an'arivony mivory ao ny fahafatesan'ireo meloka an'ady. Isan'andro no itakian'ireo olona an-jatony, tanora na antitra, avy amin'ny finoana sy lokom-bolonkoditra isan-karazany ny fanantonana ireo nahavita famonoam-bahoaka, fanolanana, fakana an-keriny, ary heloka hafa manapotika ny mahaolona nandritra ny...

Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

  18 Febroary 2013

Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..

Niavaka Ny Isan'ireo Vehivavy Bangladesy Tonga Namonjy ny Fihetsiketsehana Tao Shahbag

  14 Febroary 2013

Tsy ny lehilahy Bangladesy ihany no mibodo ny lalana fiholanana Shahbag ao an-drenivohitra Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'ireo meloka an'ady. Nahitana ny fandraisan'anjara mahagaga avy amin'ireo vehivavy ihany koa ny fihetsiketsehana. Mpianatra, mpiasa, sy renim-pianakaviana miaraka amin'ireo zanany no tonga nitondra ny feony nandritra ny fihetsiketsehana Shahbag,...