· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Novambra, 2012

Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava

Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary ireo maritiora an'arivony ny fahasimbana goavana nateraky ny fandaroahan baomba nandritra ny volana maro. Homs ao amin'ny tantara Ilay tanàna 4300taona...

Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

  29 Novambra 2012

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...

Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila

  29 Novambra 2012

Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo erantany.

Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia

  28 Novambra 2012

Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana...

Miha-mananosarotra Ny Sivana Ao Angola

  28 Novambra 2012

Tsy nahitàna taratra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mihitsy ny fankalazàna ny faha-37 taona nahazoan'i Angola fahaleovantena tato ho ato. Ny mifanohitra amin'izay aza, ny lasitra sivana Angole dia mananosarotra isak'izay mandeha. Ny fanohintohinana akaiky indrindra izao dia ny nanjo ny “Semanário Angolense”, voasazy noho ny namoahany ny kabary feno fanakianan'ny filohan'ny UNITA, Isaías Samakuva .

Revon'ny ‘Daidougei'n'i Japana – Zava-kanto An-Dàlambe

  28 Novambra 2012

Voasodokan'ny “Daidougei”, karazana fampisehoana an-dàlambe, nandany taona maro naka sary ny bikan'ilay Kanto ny olon-tsotra iray mpaka sary. Izao no lohatenin'ny bilaoginy “ Tsy nitifitra afa-tsy ny sarin'ny Daidougei aho, izaho aza tsy mahalala hoe nahoana.” Andao hijery ity sangan'asa ity isika.

Famoriam-bahoakan'ny Pitak Siam Lasa Herisetra Tany Thailand

  25 Novambra 2012

Nivadika ho herisetra ny famoriam-bahoaka nokarakarain'ny tambajotra Pitak Siam ho fanoherana ny governemanta, na ny "Arovy i Thailand" satria nifandona tamin'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana tao Bangkok2. Nitifitra entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo vahoaka marobe izay nanandrana hiditra faritra mena. Nangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hialàn'ny Praiminisitra izay ampangain-dry zareo ho mpanao kolikoly sy tsy tia ny resaka demaokrasia.