· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2012

Bahrain: Tsy Mandray Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika

Ny zanaka lahin'i Mpanjaka ao Barhain, ny Printsy Nasser Bin Hamad Al Khalifa no mpitarika voalohany momba ny fanatanjahatena ao Bahrain; tsy nofidiana ara-demokratika fa notendrena tahaka ireo fianakaviany, izay eo amin'ny fahefana. Nahazo laza ity tovolahy ity taorian'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary tamin'ny taon-dasa, raha nampijaly mafy ireo mpanao...

Poerto Riko: Vorona io… Fiaramanidina io… Aslan io!

  28 Jolay 2012

Malaza amin’ny aterineto sy eny amin’ny rindrina amin’ny anarana hoe Aslan i Enrique “Kike” Arce, iray amin’ireo mpanankanto an-dalambe mitondra zava-baovao  ao Poerto Riko. Nanjary fitaovana lehibe amin’ny fampandrosoana ny  asany ny fahitana azy ao amin’ny aterineto, indrindra amin’ny firesahana amin’ireo mpanaraka sy mpankafy azy . Mampiaraka ny fitaovana ilaina...

Kiobà: Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Voadaroka, Voasambotry Ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Fandevenana An'i Payá

  28 Jolay 2012

Ny 23 Jolay teo, nambaran'ireo mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny haino aman-jery vahiny any Kiobà fa raha iny niverina avy nandevina an'i Oswaldo Pay, mpitarika ny Vinavinan'asa malaza Varela sady nahazo ny loka Skharove an'ny parlemanta eorôpeana ho an'ny fiarovana zon'olombelona sy ny demokrasia ry zareo, dia nisambotra olona eo ho eo amin'ny 50 ny polisim-pirenena kiobàna.. An'isan'ireo voasambotra ireo Guillermo Fariñas sy Antonio Rodiles.

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

Madagasikara : Tsoa-kevitra Tamin'Ilay Fiokoana Farany Teo

  25 Jolay 2012

Tamin'ny Alahady 22 Jolay lasa teo, roa maty, 4 naratra nandritra ny fifandonana teo amin'ny miaramila tao amin'ny toby iray ao Ivato, Madagasikara, anisan'ny namoy ny ainy tamin'izany ny kaporaly Koto Mainty, mpiambina taloha an'ny minisitry ny fiarovana, Jeneraly Noël Rakotonandrasana. Tahaka ireo fifandonana efa nisy teo aloha, miseho ny...

India: Fifandonana Ara-poko Ao Assam

  25 Jolay 2012

Namono olona 32 raha kely ary nandratràna maro hafa ny ady teo amin'ireo foko Bodo zanatany sy ireo voanjo miozolmana tao amin'ny fanjakan'i Assam. Manodidina ny 70.000 ireo mponina no nandositra ny toeram-ponenan-dry zareo hatramin'ny nipoahan'ny herisetra ary nialokaloka any amin'ireo toby vonjimaika. Raha kely dia tanana 60 avy amin'ny andaniny sy ny ankilany Bodo sy Miozolmana tao amin'ny distrikan'i Kokrajhar sy Chirang no voaroba sy voadoro.

Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

  23 Jolay 2012

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.